Alakamisy 6 Jolay 2023

Ianao dia Ianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa. 2 Mpanjaka 19:15-16

 

Andriamanitra (1)

Andriamanitra manerana izao tontolo izao : Mikatso eo amin’io Fisiana io ny saiko, satria ny mahatsapa ny fisiany ihany no azoko atao. Tsy haiko hazavaina io fisiany io, ary tsy haiko fantarina amin’ny herin’ny tenako samirery. Voatery manaiky aho hoe manelingelina ahy Andriamanitra…

Andriamanitra lehibe aoka izany : Ahoana moa no tsy ho taitran’ny halehibe tsy misy fetran’Ilay namorona izao fahariana izao ? Ahoana no tsy hitolagaga manoloana ny voary ? Ahoana no hanazavana ny aina ? Ahoana no hahatakarana ny hetahetan’ny olombelona ho amin’ny ara-panahy, nefa izy afaka ho antontan-draha fotsiny, mihetsika toa milina ? Tsy maintsy manaiky aho hoe mampitolagaga ahy Andriamanitra…

Andriamanitra Mpitsara : Mampivarahontsana izany ! Raha misy Andriamanitra, dia rariny raha hampamoaka ahy Izy, indray andro any. Raha zohina, dia tena aleo lavitra tsy misy Mpahary ! Amin’izay mantsy dia ho azoko atao ny zavatra rehetra ! Tsy hisy fitsipi-pitondrantena mifehy ny olona rehetra, tsy hisy olona manana fahefana faratampony hanery ahy na amin’inona na amin’inona ! Afaka hihevi-tena ho afaka aho… Tsy afaka mitampi-maso mantsy aho : mampatahotra ahy Andriamanitra…

Andriamanitra tsy fantatra : Tsy haiko hoe ahoana no hampitonena Azy, na hanomezana fahafahampo Azy. Maro loatra ireo fanehoana an’Andriamanitra, maro izaitsizy ireo antokom-pivavahana mihambo hitondra ity izaho izay bitika indrindra ity ho eo amin’Ilay Andriamanitra lehibe aoka izany. Nefa ahoana no hahazoako antoka fa ampy ny zavatra ataoko ? Tsy azoko avela ho voafitaka ny tenako, fa na Izy misarika ahy ho any aminy, na izaho hamita-tena lalandava ny aminy. Eny, tsy maintsy miaiky aho hoe mampamoy fo ahy Andriamanitra…

Raha tsy hoe angaha…

(rahampitso ny tohiny sady farany)