Zoma 7 Jolay 2023

Raha mandray ny fanambaran’ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’Andriamanitra… Jesosy Kristy… Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:9, 20

 

Andriamanitra (2)

Andriamanitra nambara an-karihary : Tsy vitan’ny hoe miresaka Azy amiko ny fahariana, fa ao amin’ny Baiboly koa aho dia mandre Azy. Angatahiny fotsiny aho hatoky Azy, ary hino fa ao amin’i Jesosy Kristy Izy dia manatona ahy. Izy no manao ny zavatra rehetra, mba hahafahako mifandray aminy : avelany heloka aho, izay natahotra Azy, niezaka hanilika Azy, ninia tsy nihaino Azy. Mamela ny heloko Izy, eny ! Tsy maintsy manaiky aho fa tia ahy Andriamanitra !

Andriamanitra isanandro : Fifaliana toa inona moa ny ahy ankehitriny ! Miresaka amiko Izy, amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny Fanahiny ; ary izaho afaka mamaly Azy, amin’ny vavaka. Nanjary Raiko Izy, Tsitoha sady lavorary ! Izy dia Andriamanitra tena akaiky. Lehibe mandrakariva Izy, nefa miditra manontolo ao anatin’ny foko. Tsy maintsy manaiky aho fa miteny amiko Andriamanitra !

Andriamanitra fanantenana : Ary tsy izay ihany. Indray andro any dia hahita Azy aho. Ny fahasambarana ampanantenainy dia tsy vitan’ny fahasambarana androany fotsiny. Fa ny fahazoana antoka fa hisy fiainana lavorary koa ao anatin’ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana. Ary satria Andriamanitra mihazona ny teny fikasany ho an’ny fiainana ankehitriny, dia tsy maintsy hohazoniny koa ny fampanantenany ho an’ny hoavy ! Tsy maintsy manaiky aho fa miandry ahy Andriamanitra.

Andriamanitra ho anao : Andriamanitra dia Andriamanitro, nefa tsy natokana ho ahy irery. Te ho Andriamanitra manokana ho anao koa Izy ! Tsy misy olona afaka hanjary sakaizan’Andriamanitra noho ny fahamendrehany. Tsy misy olona lavitra loatra Azy. Na inona na inona toerana misy anao, dia afaka miantso an’Andriamanitra ianao, mba hanehoany ny tenany aminao ; afaka mamaky ny Baiboly, satria ao no itenenany aminao ; afaka matoky an’i Jesosy Kristy, Izay maneho Azy aminao. Eny, tsy maintsy manaiky ianao fa miandry anao Andriamanitra !

(tapitra)