Asabotsy 8 Jolay 2023

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. Jeremia 29:11

 

Nanome hoavy ho ahy indray Andriamanitra

„Mifanohitra be ihany ireo tsiaro momba ny fahazazako : ny reniko dia tia anay zanany ; fa ny raiko kosa, noho ny toaka, dia nihavery tsikelikely ny fahafahany mifehy ny fiainany sy ny ankohonany. Tadidiko aho, fony mbola ankizy, nandeha nanaraka ny sisin’arabe, tsy nibanjina afa-tsy ny tongotro, feno tebiteby, nieritreritra hoe hody any an-trano. Nahoana no izaho ihany no zoin’izany ? Tsy nisy olona hamaly ny fanontaniako…

Nony 15 taona aho dia nandeha nipetraka tany Espaina, tany amina zanak’olo-mpirahalahy amiko. Talohan’izany aho dia nihalehibe tsy nahalala marina ny atao hoe tsara na ratsy. Ny hany soridalana nananako dia ny reniko, izay niaro anay, sy ny zokiko lahy nohajaina teo amin’ny faritra nonenanay… noho ny herisetrany mihoa-pampana. Tsikelikely teny dia nameno ny fiainako ny toaka sy ny zava-mahadomelina, isaky ny misy fety. Mitataovovonana any ho any aho no mifoha, ary milona ao anatin’ny tontolon’ny zava-mahadomelina sy ny mozika, mandra-pahatonga ny amin’ny 4 na 5 ora maraina. Poaka aty ny fiainako…

Indray andro aho dia naharay taratasy avy tamin’ny zokiko lahy. Nilaza tamiko izy fa nokasihin’i Jesosy, ka niova ny fiainany. Nampiarahiny tamin’ny taratasiny ny Filazantsara nosoratan’i Jaona. Izaho, izay tsy mba namaky boky mihitsy, dia namaky ilay Filazantsara manontolo tao anatin’ny efatra andro. Teo no ho eo ihany ny vokany. Nahakasika ahy ny fitiavan’Andriamanitra. Nanapa-kevitra aho hiverina tany Frantsa, hitako indray ny rahalahiko, ary nanaraka azy tany am-piangonana aho. Noraisana tam-pitiavana aho, tao.

Naka fotoana Andriamanitra hanarenana ahy indray. Tokony ho enim-bolana tatỳ aoriana dia nangataka hatao batisa aho. Nanomboka tamin’izay dia niverina nianatra indray aho, nahomby tamin’ny fanadinana, ary nahita asa. Nanorina tokantrano mihitsy aza aho. Nomen’Andriamanitra hoavy sy fanantenana indray aho, dia Jesosy Kristy”.

Jonathan