Alahady 9 Jolay 2023

[Andriamanitra] niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. 1 Petera 2:9

Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho ; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. Salamo 9:1

 

Zava-mahatalanjona (2)

Ny retsiky ny maso, izay manomboka ao amin’ny maso ka hatrany amin’ny atidoha, dia 4 milimetatra monja ny savaivony, nefa misy kofehin-dretsika mihoatra ny iray tapitrisa, tsy misy mifampikasoka. Na dia amin’izao vanimpotoanan’ny serasera avo lenta iainantsika izao aza, ireo manampahaizana manokana momba ny fitaovam-pifandraisan-davitra dia manonofinofy hahavita fantsona mitovy tanjaka amin’izany.

Davida mpanjaka dia nahatsapa ny maha mampitolagaga ny hamaron’ny singa mifampidipiditra ao amin’ny vatan’olombelona, ka nidera an’Andriamanitra hoe : „Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy ; mahagaga ny asanao ; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany… Noforoninao hisy endrika [aho]… Voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry” (Salamo 139:14-16). Efa fantatr’Andriamanitra isika, talohan’ny nahatorontoronina antsika. Ny olombelona, noarìna hitovy endrika amin’Andriamanitra, dia iray amin’ireo zava-mahagaga nataony. Saingy simban’ny ratsy nampidirin’ny olombelona io fitoviana io. Mampihoron-koditra ny haben’ny herisetra, fandravana sy fanimban-tena hainy atao.

Na izany aza, Andriamanitra dia te hamorona toetra ara-panahy aman-tsaina hafa ao anatintsika tsirairay, mba ho toy ny hoe nateraka indray isika : „Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy tamin’ny alalan’i Kristy” (2 Korintiana 5:17-18). Io toetra ara-panahy aman-tsaina io dia nanjary olombelona sy hita maso tamina fomba mahagaga tao amin’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga tetỳ an-tany. Ary mandray io toetra io isika rehefa mino Azy tsotra fotsiny.