Alatsinainy 10 Jolay 2023

Fa ny Tompo no Mpitsara ahy. 1 Korintiana 4:4

Ny Tompo… hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny fikasan’ny fo. 1 Korintiana 4:5

 

Andriamanitra irery ihany no afaka mitsara ahy

Matetika tononina tsy am-piheverana io fehezanteny io, ary ampiasaina mba hialana amin’ireo tsikera. Tsikera tsy ara-drariny, araka ny eritreritsika : tsy azon’ny hafa isika, heverina ho manana fikasana ratsy, tian’ny sasany hasian-dratsy. „Andriamanitra irery ihany no afaka mitsara ahy”, hoy ny soratra amina akanjo ambony iray, hita any amin’ny tambajotran-tserasera, ary indraindray tombo-kavatsa eny amina vatantenan’olona.

„Ny Tompo no Mpitsara ahy”. Fiteny ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io, ka marina tanteraka, ary izay manonona na mampiseho io fehezanteny io dia tokony hahafantatra tsara ny dikan’izany, ho an’ny tenany. Andriamanitra dia mahita tsara ny ao am-pontsika, sy ny antony manosika antsika… Tsy misy takona amin’ny masony. Ny fitsarany dia tsy araka ny fenitra arahintsika. Ny fenitr’Andriamanitra mantsy dia ny fahamasinany. Ny didy folo nomen’Andriamanitra ny vahoakany dia nampibaribary fa mitovy ny toerana misy ny olona rehetra : tsy afaka manao ny sitrapon’Andriamanitra, ka mendrika ny hohelohina avokoa.

Ny fitsaran’Andriamanitra no hany misy lanjany, na dia mety hisy fiantraikany eo no ho eo betsaka kokoa aza ny tombana ataon’ny olombelona. Ny fitsaran’Andriamanitra kosa dia misy vokany ho an’ny mandrakizay.

Fizotra feno herimpo, raha ny marina, ny mitoetra tokoa eo anatrehan’Andriamanitra, eo amin’ny fahazavany, sy ny mahatakatra izay tena fiheviny ny amiko. Fizotra mahavonjy koa, satria io fahazavana io dia mitarika ahy hiteny hoe : „Mpanota aho”, sy hitodika aminy, mba handray ny famelan-keloka avy aminy.