Talata 11 Jolay 2023
Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko. Salamo 27:1, 3
Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy ; fa Jehovah kosa no mandray ahy. Salamo 27:10
Tantara maro no mitatitra fihetsika mifono herimpo tany Frantsa, nandritra ny ady lehibe faharoa. Boky sy horonan-tsary maromaro no nampahafantatra ny tantaran’i Le Chambon-sur-Lignon tamin’ny 1940 hatramin’ny 1945. Tao amin’io tanàna kely io sy ny manodidina dia nisy Jiosy an’arivony maromaro nampiantranoina, ary ankizy ny ankamaroany. Saika avotra tsy azon’ny fanenjehana avokoa izy ireo. Naparitaka mangingina izy ireo, tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana teo amin’ny manodidina, izay mazàna nahantra, ary nomena sakafo sy nohodidinina fitiavana.
Nandritra ireo taona nanaraka izany, dia mbola somary nafenina hatrany ihany izany fihetsika feno herimpo sy fitiava-namana izany. Raha ny marina, ireo izay namoha ny varavarany sy ny fony dia nihevitra izany ho mandeha ho azy. Ity vehivavy zokiolona iray namaly ireo mpanao gazety tonga nanadihady, dia zatra nanokatra ny Baiboliny. Vakiny ilay tenin’i Kristy hoe : „Noana Aho, dia nomenareo hanina ; nangetaheta Aho, dia nampisotroinareo ; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo ; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo ; narary Aho, dia notsaboinareo” (Matio 25:35-36). Nohazavainy tsotra sy tam-paharesen-dahatra fa Andriamanitra dia mangataka ny hitiavana ny namana tahaka ny tena. Ary izany no nataon’ireo mahery fo ireo.
Matetika tao ambadik’izany fandavan-tena izany dia misy finoana mafy orina miafina, mifahatra amina fahalalana matotra ny Baiboly. Izany no nanaovan’ireo olona ireo vy very ny ainy mba hamonjena ny hafa. Ary indrindra, izany no nahaizany nitoetra ho manetry tena sy miafinafina. Ankoatra ny herimpo sy ny hatsaram-panahy, dia zavatra tokana no nanosika azy ireo : ny tsy hivadika amin’Andriamanitra.