Alarobia 12 Jolay 2023
Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao ; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao. Ohabolana 3:5-6
Mangina Izy, ka iza no mahay manameloka ? Joba 34:29
Tamin’ny fakan-drivotra tany amoron’ny ranomasimbe, avy hatrany izahay dia nihazakazaka namonjy ny torapasika akaiky indrindra, torapasika mahafinaritra voahodidina vatolampy. Niolomay nankao anaty rano ny ankizy, ary minitra vitsivitsy taorianan’izany dia niala avy tao i Louise, voadidy lalina teo amin’ny kitrokeliny. Niala haingana teo amin’ilay torapasika izahay, ho any amin’ny vonjy taitra, no nahita takelaby nanaitra ny masonay : „Filomanosana mampidi-doza, misy vatolampy mandidy”. Novakinay io teo, nefa tsy nahoanay : noheverinay ho nanitatra ! Voasarona fasika mantsy ity ampahana torapasika ity, tsy nahitana vatolampy rehefa miakatra ny ranomasina, ary olona maro no nilomano teo.
Taoriana-na zaitra vitsivitsy, tsy nisy fiantraikany teo amin’ny andro sisa nialan-tsasatra, dia lasa eritreritra izahay : raha mba mailo kokoa izahay, ary nanaraka io fampitandreman’olona mahafantatra tsara ny toerana io, dia ho afaka nisoroka ilay loza.
Izany dia misy fitoviana miharihary amin’ny fihetsitsika, manoloana ireo filazana, torohevitra ary fampitandremana ataon’Andriamanitra amin’ny mpino, ao amin’ny Baiboly, ho an’ny fiainany andavanandro. Tsy raharahaina ireo indraindray, nefa dia nosoratana indrindra mba hiaro antsika tsy ho tratra-na fahasahiranana sy fijaliana. Rehefa tsy mamaky ny Baiboly, dia mamela ny fiainantsika ara-pitondrantena sy ara-panahy ho tandindomin-doza lehibe. Ndao àry hamaky azy sy hiantehitra amin’Ilay Andriamanitsika, Izay mahafantatra ireo loza ara-toe-panahy aman-tsaina mananontanona antsika. Ndao hatoky Azy tanteraka ka hankatò Azy, ary tsy hanome lanja tafahoatra ny herintsika sy ny fahaizantsika, sady tsy hanaiky hotaomin’ny hafa.