Alakamisy 13 Jolay 2023
Fa izay rehetra nandray Azy (Jesosy) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12
Mamelombelona ny fanahiko Izy ; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Salamo 23:3
Efa ho volana vitsivitsy izao ry Norbert sy Annie no liana tamin’ny Filazantsara. Manatrika fivoriana kristiana sy mamaky ny Baiboly izy ireo. Nandeha ny fotoana, ary takatr’izy ireo fa mihamanatona ny ora hanaovana safidy. Norbert no voalohany nandray ny Filazantsara. Annie kosa nisalasala, satria natahotra ny ho vokatr’izany. Nanontany tena izy hoe : „Tsy maintsy mamoy ny namako rehetra ve aho ?” Dia nihemotra izy. Tatỳ aoriana i Annie dia mbola nahare indray ny antson’ny Tompo, ary nanjary kristiana nony farany.
Tena sakana tsy hanatonana an’i Jesosy io tahotra io, hoe hamoy namana, na mety ho asa mihitsy aza, na fialamboly ankafizina indrindra. Jesosy ve „handrava” ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainako ? Kajy diso izany hevitra izany ! Ny Tompo tsy akory tsy maniry hampahantra antsika. Te hampanankarena antsika ny aminy Izy. Ho amin’izany dia angatahiny aloha isika mba handray Azy ho Mpamonjy sy Tompo. Avy eo isika dia tarihiny am-pahendrena sy am-paharetana ho eo amin’ny lalan’ny finoana.
Dia asehon’ny Tompo antsika izay tokony hafointsika, noho ny aminy. Ary omeny antsika ny hery ilaina, hanatanterahana izany. Matetika dia matetika Izy no mandahatra ny toejavatra eo amin’ny fiainantsika, mba hanampiany antsika ho amin’izany. Na misy aza fahoriana handalovana, dia harahina fiadanana lalina izany.
Ilay olona hafa firenena, izay nino an’Andriamanitra nefa nanahy momba ny tokony ho fihetsiny rehefa mody any an-taniny, dia novalian’i Elisa mpaminany teny mahafinaritra hoe : „Mandehana soa aman-tsara” (2 Mpanjaka 5:19). Ndao koa isika hahay handeha ao amin’ny fiadanan’ny Tompo. Izy dia Tompo tsara, Tompo nanolotra ny ainy hamonjeny antsika.