Zoma 14 Jolay 2023

Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filàny ; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. 1 Jaona 2:17

 

Ilay fanday

Tena nahomby teo amin’ny asany ity mpandraharaha iray, ka nirehareha. Indray maraina izy, tao an-jaridainany, dia nahamarika fanday iray sahirana nananika tsatòka. Tena hahatratra ny tampon’io ve izy ? Variana tamin’ny ezaka nataon’ilay biby kely izy, ka niteny anakampo hoe :

— Izaho koa dia sahirana mafy vao tonga tetỳ an-tampony. Tsy maintsy niasa tsy nitsahatra aho, mba hahatratra izao toerana tsiriritin’olona izao. Izaho aho dia nahomby, tonga eto amin’ny faratampony.

Roboka tao amin’ny eritreriny izy, ary mbola nanohy nandinika ilay fanday, izay tonga teny an-tampony, ary niodina nidina indray, satria tahon-kazo maina io nisy azy io, ka tsy nahitany ravina maitso.

Taitra tampoka ilay rangahy, ka nanomboka nieritreritra. Nitondra fahasambarana marina ho azy ve ny fahombiazany teto amin’izao tontolo izao ? Sambatra ve izy ankehitriny ? Diso fanantenana toy ilay fanday izy, tsy nahita na inona na inona tena afaka hahafa-po tanteraka ny hetahetany lalina, tsy nahita na inona na inona manana lanja mateza sy maharitra mandrakizay.

Nanontany ny mpianany Jesosy hoe : „Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, nefa very ny ainy ?” Hoy koa Izy : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho ; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo” (Matio 16:26 ; 11:28-29). Rehefa manatona an’i Jesosy, dia mahazo eo anilany ny famelana ny fahadisoan’ny tena, ny fiadanana, ary ny fiainana mandrakizay.