Asabotsy 15 Jolay 2023
[Jesosy]… nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly. Asan’ny Apostoly 10:38
21 jolay 1969. Neil Armstrong, Ilay mpanamory sambondanitra, no mponin’ny tany nandia voalohany ny volana. Teny izy dia nanonona fehezanteny iray nampitain’ny haino aman-jery rehetra : „Dingana kely, ho ana olona iray… dingana goavana kosa, ho an’ny zanak’olombelona”.
Marina fa ireny dingana kely ireny, nataona mpanamory sambondanitra, dia nampiseho mivaingana ny dingana goavana nataon’ny siansa sy ny teknika, mba nahafahana nanao io fitsidihana vetivety tany ivelan’ny tany io.
James Irwin kosa, olona faha-8 nandia ny volana, dia hentitra niteny hoe : „Ny tena zava-dehibe dia tsy olona iray nandehandeha teny amin’ny volana, fa Andriamanitra nandehandeha tetỳ an-tany, tao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy”. Fijery hafa mihitsy indray izany. Taonjato roapolo talohan’izany dia efa nambara toy izao ny hahatongavan’i Jesosy Kristy eto an-tany : „… hanitsy ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana” (Lioka 1:78-79). Tamin’ny alalan’i Jesosy dia tonga Andriamanitra mba hihaona amintsika. Tsy ampy ny fiteny hoe „dingana goavana”, hilazana fa Jesosy dia tonga avy any an-danitra mba hiaina teto anivontsika tetỳ an-tany.
Dia iza, avy eo, no ho afaka hanoritsoritra ireo „diany” tetỳ an-tany ? ny fomba nandehanany, tsy nety sasatra, nanao soa tamin’ny olona rehetra ? Ary inona no hambara momba ny diany farany ? „Ary Izy nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha… Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana” (Jaona 19:17-18). Teo, teo amin’ny hazofijaliana, no „nanolorany ny tenany ho fanatitra… hamonjy antsika” (Efesiana 5:2). Fihetsika mampitolagaga toy inona moa izany ! lehibe lavitra noho ny atao hoe „dingana goavana”, mba hamonjeny ny zanak’olombelona. Mandraka ankehitriny, izay miantso ny anaran’ny Tompo dia voavonjy tsy hiharan’ny fanamelohana mandrakizay, voavonjy mba hiaraka amin’i Jesosy ho mandrakizay.