Alahady 16 Jolay 2023
Nahoana no manontany ny anarako ianao ? fa anarana mahagaga izany… Ary Ilay Anjely (Jehovah) kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady. Ary raha niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara, dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara Ilay Anjelin’i Jehovah. Mpitsara 13:18-20
Ao amin’ny andinin-tSoratra Masina androany dia nahita zavatra mahagaga aoka izany i Manoa sy ny vadiny, hany ka niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra. Izany dia mampahatsiahy antsika zava-nitranga mbola nampitolagaga kokoa aza, izay itaomana antsika mba hobanjinintsika. Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga tetỳ an-tany, maty teo amin’ny hazofijaliana ary velona indray, niakatra any an-danitra. Tsy mahatalanjona ve ny mahatsapa fa notiavin’Andriamanitra aoka izany ny voariny, ka Izy mihitsy no tonga nitafy ny toetra maha olombelona antsika ? „Iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy ; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ny voninahitra” (1 Timoty 3:16).
Ndao hisaina io lalana narahin’i Jesosy io : tonga Izy, noho ny fitiavana, nikarakara olona lavitra an’Andriamanitra. Fony teraka Jesosy, dia nahazo anarana mahafinaritra indrindra : Jesosy (midika hoe Andriamanitra Mpamonjy) sy Imanoela (Amintsika Andriamanitra). Ireo anarana ireo dia ahatakarantsika ny fanirian’Andriamanitra hiara-monina amintsika, nefa koa ny ilantsika Mpamonjy hampiditra antsika ho eo amin’ny fanatrehany. Tsy ho hay atao ny hanana an’Andriamanitra miaraka amintsika, raha toa isika mbola tsy nafahana tamin’ny fahotantsika, noho ny finoana Azy. Ny ain’i Jesosy natolotra teo amin’ny hazofijaliana no nahatanteraka izay notakin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Ny nitsanganany velona indray dia nanaporofo fa afa-po Andriamanitra. Ambaran’ny Salamo 111 antsika fa „lehibe ny asan’i Jehovah” (ny fahariana izao tontolo rehetra izao, ny fahariana ny vatan’olombelona…), nefa ihany koa hoe „madera sady malaza ny asany” (ny asa nataony teo amin’ny hazofijaliana). „Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy” (and 2-4).
(tapitra)