Alatsinainy 17 Jolay 2023
Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany : Ny hanao ny marina, sy ny ho tia famindrampo, ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena. Mika 6:8
Azo antoka isika rehetra fa samy efa namaky na nahare fijoroana mampitolagaga ho vavolombelona, mitantara fiovam-po. Andriamanitra naneho ny tenany tamin’ity olona iray, tamina fahitana ; ny fon’ity hafa voakasika tamina fanasitranana… Ny Baiboly koa dia mitantara amintsika fiovam-po tanteraka, toy ny an’ny apostoly Paoly, izay nosakanan’ny Tompo tamina hazavana be nahalavo azy tamin’ny tany (Asan’ny Apostoly 9:4).
Nefa i Paoly dia niasa ho an’ny Tompo niaraka tamin’izany olona antsoina hoe Timoty izany, izay hafa tanteraka ny tantarany… Izy io dia nobeazina reny sy renibe samy mpino, izay niresaka ny Tompo taminy ary nampiseho azy ny finoan’izy ireo, teo amin’ny andavanandrom-piainany avy. Resahin’i Paoly ny finoana tsy mihatsaravelatsihy „izay nitoetra taloha tao anatin’i Loisa renibenao sy Eonika reninao” (2 Timoty 5:1). Toy izany no nikasihan’ny Tompo ny fon’i Timoty.
Ianao koa angamba nobeazina tao amina fianakaviana kristiana. Nanjary finoanao manokana ilay finoan-jaza tao anatinao, ary rehefa nihalehibe ianao dia nisafidy hanaraka an’i Kristy. Toy ny olon-drehetra ianao, very, ka nila an’i Jesosy, ianao koa. Noho izany ianao koa dia manana fijoroana ho vavolombelona hotantaraina. Angamba ianao tsy ho afaka hilaza ny daty niovanao fo, na hijoro ho vavolombelona fiovana tanteraka. Nefa satria nokarakarain’i Jesosy Kristy isanandro ianao, dia afaka miresaka fiainana miaraka aminy, na ny fomba nanafahany anao tao anaty toejavatra maro isan-karazany. Ianao koa, ao anatin’ny fonao ao, dia nanana ary mbola manana fironana ratsy izay anafahan’Andriamanitra anao isanandro isanandro.
Ny fiovam-po rehetra dia fahagagana ataon’Andriamanitra. Omeo voninahitra Izy, amin’ny fijoroanao ho vavolombelona, toa an’i Samoela izay nanambara mazava hoe : „Efa novonjen’i Jehovah isika hatramin’izao” (1 Samoela 7:12).