Talata 18 Jolay 2023

Fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. 2 Korintiana 4:18

(Hoy Jesosy :) Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy. Matio 7:24

 

Manorina eo ambony zavatra mafy

Ny zavatra mifono vy, ny rindrim-bato, dia kisarisary-na fahamafisan-javatra. Nefa ange jereo izay tafajanona amin’ireo e ! aoriana-na tafiotra na horohorontany. Ny raha (matière) mafy indrindra dia tena marefo, raha ny marina. Olona maro no mihevitra ihany koa fa manjavozavo sy tsy azo antoka ireo soatoavina ara-panahy, ary toa mafy sy azo tsapain-tanana ireo izay hita maso. Nefa ve tsy ny mifanohitra amin’izany no marina ? Milaza izany mazava mantsy ny andinin-tSoratra Masina nomena androany.

Tsy ny tontolo hita maso tsy akory no zava-dehibe. Ny hatsaram-panahy, ny rariny, ny fahamarinana, ohatra, dia soatoavina matanjaka kokoa noho izay rehetra azo tsapain-tanana. Izao tontolo izao aza dia tsy maharitra mandrakizay. Ambaran’ny Baiboly mazava izany, ary atsidiky ny siansa ankehitriny koa. Nisy fiandohana izao tontolo izao, ary hisy fiafarana. Nefa ambonin’izao tontolo izao, talohany sy aorianany, dia eo Andriamanitra, manana ny fikasany, ary fantatsika fa hanatanteraka izany. Tiany efa hatrizay ny hisiana mananaina tompon’andraikitra, mahalala Azy sy tia Azy, toy ny fitiavany azy ireo, hiaraka aminy ao amin’ny fahasambarana any an-danitra.

Isika ve mba mangetaheta hanorina ny fiainantsika eo ambony fototra mafy ? mba mahatsapa ho mila fahazoana antoka, ary koa tanjona eo amin’ny fiainantsika, ao anatina tontolo an-dalam-piovana ? Ndao àry hiresaka amin’Andriamanitra. Taominy isika hanana fifandraisana mahavokatra sy mahatretrika miaraka aminy, noho ny asa nataon’i Jesosy Kristy, Ilay Zanany Lahitokana.