Alarobia 19 Jolay 2023

Izy (ny Fanahy) no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra. Jaona 16:13

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6

 

Ny fiarakodia mahazaka tena

Tsy ho ela dia ho hita eny amin’ny arabe ny fiarakodia mahazaka tena. Efa tsapaina izao ireo santionany voalohany. Misy GPS (fanondroana ny toerana misy ilay fiarakodia), fakan-tsarimihetsika, fitaovam-pitiliana maro ahafahan’ilay fiara mamantatra marina tsara ny toerana misy azy. Misy sarintany elektronika, manoro ny lalana mankany amin’ny toerana tokony halehan’ilay fiara. Ireo karazana teknolojia avo lenta maro ireo dia ahafahana miatrika ny toejavatra maro sosona momba ny familiana, toy ny zavona, ny orampanala, ny alina.

Ary isika, ahoana ny fomba amantarantsika ny toerana misy antsika ? Mankaiza isika ? Aiza no alehantsika ? Mba manana vinavinam-piainana ve isika ? Afaka miteny isika hoe nomen’Andriamanitra zavatra tsara kokoa noho ny GPS. Nomeny fitaovana maro mantsy ny olona, hitari-dalana azy amina fomba azo antoka.

— Ny Baiboly : mampahafantatra antsika ny lalan’ny famonjena izy io, ary afaka manampy antsika hanao ireo safidy isanandro. Hoy ny mpanoratra Salamo iray : „Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao” (Salamo 119:105).

— Ny fieritreretantsika : ahafahantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy.

— Ny Fanahy Masina : manampy antsika hahatakatra sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

— Ny vavaka : ahafahantsika manontany an’Andriamanitra ny lalana hizorana.

— Môdely ho antsika ny ohatra napetrak’i Jesosy teo amin’ny fiainany lavorary, teto amin’ity tany ity.

Andriamanitra izany tsy namela antsika tsy hanana loharanon-kery. Anjarantsika ny manararaotra ireny. Tsy ho ela ny mpino rehetra dia ho eo anilan’i Jesosy, any an-danitra. Io no fara fitodiany : hiaraka amin’i Kristy sy hahita ny voninahiny. Koa aza diso lalana isika, satria mety hampidi-doza antsika izany !