Alakamisy 20 Jolay 2023
Ianao mino fa iray ihany no Andriamanitra ; koa tsara izany ataonao izany —ny demonia koa mba mino izany, ka dia mangovitra. Jakoba 2:19
Fa amin’ny anarany (anaran’i Jesosy) no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka. Asan’ny Apostoly 10:43
Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17
— Hitanao ? izaho dia manaja izay inoanao, nefa samy manana ny azy ny tsirairay, ary mitovy lenta avokoa izy ireny.
— Azafady tompoko, hoy ny navalin’olona iray, miresaka amiko ianao, toy ny hoe tsy manana antokom-pivavahana aho ; nefa izaho dia manana izay inoako, toy ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviako rahateo.
„Izay inoana” dia teny moramorainy, azo roritina, teny tsy mampidi-kizo an’iza na iza, nefa tena manjavozavo, hany ka mampisalasala, ary mampidi-doza mihitsy aza.
Misy teny iray entina manondro ny fandraisana izay lazain’Andriamanitra, dia ny teny hoe „finoana”. Araka izany no ampiasan’ny Baiboly azy. Io teny io dia midika fa ny olona, izay zavaboary, dia mahatsapa ny tenany ho marefo, tsy mahay na inona na inona, ary meloka eo anatrehan’Ilay Mpahary azy, Izay Tsitoha, marina, ary masina.
Ny finoana dia manaiky ny zon’Andriamanitra, mihaino ny Teniny ; ny finoana dia mianatra aminy, fa tsy amina lovantsofin’olombelona. Ny finoana dia mahita fa Izy no Mpitsara faratampony, nefa ihany koa Ilay Andriamanitra fahasoavana, Andriamanitra fahazavana, Andriamanitra fitiavana.
Ny finoana dia fahalalana manokana Ilay Andriamanitra naneho ny tenany, miteny, ary mihaino koa. Ny Filazantsara, izay asainy torina ankehitriny, dia mampiseho an’i Jesosy Kristy ho Ilay fanehoana feno an’Andriamanitra. Tiany ny nampahafantatra ny tenany amin’ny olona, ka nomeny ho an’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana sy malalany, dia Jesosy, maty mba ho Mpamonjy izay rehetra mino.
Ekeo amin’ny finoana Izy !
„Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).