Zoma 21 Jolay 2023
Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 1 Jaona 4:9
Ary na dia omeko ho an’ny malahelo aza ny fananako rehetra… kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. 1 Korintiana 13:3
„Taorianan’ny niovako fo ho an’i Jesosy Kristy dia nanomboka nikatsaka hanao ny tsara indrindra aho. Tsy maintsy ho „kristiana tena tsara” aho. Nifady hanina nandritra ny andro maromaro nifanesy aho, nandany ora maro hivavahana, nikarakara ny olona tsy nanan-kialofana… Nitolagaga ny olona ! Nanao zavatra tsara aho, saingy tsy noho ny antony tsara. Ambonin’izany, nantenaiko hihafy toy ny ataoko ny olona hafa. Ary raha tsy nanao izany izy ireo, dia nokianiko.
Toy ny hoe tiako ny hanonitra an’i Jesosy, Izay namafa ny trosan’ny fahotako ! Nefa na niezaka mafy mba hanompo sy hivavaka aza aho, dia tsy ampy foana izany.
Indray andro aho dia namaky tao amin’ny Baiboly hoe : „Izao no fitiavana : tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika” (1 Jaona 4:10). Tampoka teo dia takatro : ny hany andrasan’Andriamanitra amiko, dia ny hino ny fitiavany, sy ny hitia Azy, ho setrin’izany. Dona tamiko izany !
Nanomboka niova ny fijeriko ny fiainam-pinoako, nanjary nankamamy ny fiombonana amin’Andriamanitra aho, fa tsy nihevitra intsony ho tokony hanaporofo zavatra mandrakariva. Vokatr’izany, dia afaka nangoraka kokoa ny hafa aho, ary tsy nitsikera azy ireo intsony.
Malala-tanana, mamaky ny Baiboly, mivavaka amin’Andriamanitra, tsara avokoa izany rehetra izany, raha atao amin’ny saina mankasitraka an’Andriamanitra. Fa diso hevitra tanteraka kosa isika, ary tsy mahita intsony ny fahasoavany midadasika, raha mieritreritra fa amin’izany no ahafahantsika mihazona ny fankasitrahan’Andriamanitra.”
araka an’i Jud Wilhite