Asabotsy 22 Jolay 2023

Fa ankehitriny, Jehovah ô, Rainay Ianao ; izahay dia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay, ary asan’ny tànanao izahay rehetra. Isaia 64:7

Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo… fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. Isaia 45:22

 

Vatan-kazo sa sary sokitra tsara tarehy ?

„Vitsy ny olona mahatakatra tsara izay hanaovan’Andriamanitra azy ireo, raha avelan’izy ireo hanao izany Izy. Raha vatan-kazo marokoroko sy tsy misy endrika, dia tsy afaka haminavina velively ho afaka hanjary sary vongana tsara tarehy, zava-mahatalanjon’ny haikanto, eo an-tànan’ny mpanao sokitra, izay mahita tsara izay ho azony tsoahina avy aminy.” Izany no teny-na teolojiana espaniola iray tamin’ny taonjato faha-16.

Ny Baiboly dia mampiasa kisarisarin’ny mpanefy sy tanimanga, mba hilazana ny fomba amolavolan’Andriamanitra antsika (Jeremia 18 ; Romana 9:21). Tany am-boalohany Andriamanitra dia nahary ny olona hitovy endrika aminy, nomeny saina afaka manana fifandraisana aminy. Saingy vetivety foana ny olombelona dia tsy nankatò ary nitodi-damosina Azy.

Andriamanitra dia mahari-po, tia antsika Izy. Tiany ho sambatra ny olona tsirairay, ilay voary tena tsara novolavolainy ho voninahiny sy hofenoiny ny fitiavany : „Alao ny zanako lahy avy lavitra, sy ny zanako vavy avy any amin’ny faran’ny tany, dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako sady noarìko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko” (Isaia 43:6-7).

Isika ve hijanona ho toa vatan-kazo tsy voavoatra, tsy misy ilàna azy, tsy manana aina ? Sa kosa hanokatra ny fontsika amin’Andriamanitra, Izay te hanova antsika ho zavatra tsara tarehy, mendrika Azy ? Anjarantsika ny manapa-kevitra, ny mitodika amin’Andriamanitra.

Rehefa mandray an’i Jesosy ao am-pontsika isika, dia omen’Andriamanitra aina vaovao, afaka manompo Azy. Amin’izay isika dia „nateraka indray”, afaka hahasoa ho Azy sy haneho ny ain’Andriamanitra izay ao anatintsika. Ndao àry hanaiky hovolavolain’Andriamanitra, hamela Azy hiasa ao anatintsika.