Alahady 23 Jolay 2023

Efa nasianao fifaliana ny foko. Salamo 4:7

Fa ny olona izay ankasitrahin’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana. Mpitoriteny 2:26

 

Rahampitso ny fahasambarana

Izany no lohateny-na fanadihadiana manoritsoritra ireo nofinofy-na vanimpotoana tany aloha. Tamin’ny taona 1950, taorianan’ny ady lehibe faharoa, dia ny fandrosoana no nanjary fanafodin’ireo zava-dratsy lasa rehetra, nanjary nampanonofy fiarahamonina misy fahasambarana rehefa miaina manana zavatsoa isan-karazany. Nefa avy aiza moa ireny fananana sy zava-mampiadana tokony hahasambatra antsika ireny ? Na ilaina na haitraitra, dia maro amin’ireny no vokatry ny fandrosoana ara-teknika, izay vao mainka miteraka olana, fa tsy mitondra vahaolana. Voaloto ny tontolo iainana, mihalany ny harena voajanahary, mitombo ny tsy fananana asa, mivangongo ny fako tsy hay hatao inona, sns. Tsia, tsy misy fanantenana intsony, amin’izay lafiny izay. Tsy misy intsony miteny hoe : „Ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza” (Isaia 56:12).

Andriamanitra anefa tsy namela antsika hijanona eo amin’izany fiekena zavamisy marina loatra izany. Manana drafitra Izy, mba hamonjeny antsika sy hanomezany „fanantenana ny amin’ny farany” ho an’ny tsirairay. Tonga tetỳ an-tany Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, mba hanambara vaovao mahafaly, dia famonjena maimaimpoana ho an’izay mandray izany toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra. Nahoana moa no maimaimpoana ? Satria Jesosy efa nitondra manontolo teo amin’ny tenany ny hadalan’ny olombelona sy ny tsy fankatoavany ; nozakainy ny famaizana izany teo anatrehan’Andriamanitra. Koa amin’ny finoana no andraisan’ny mpino aim-baovao, fihavanana amin’Andriamanitra, ary fampanantenana azo antoka. Izy dia „miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy” (Titosy 2:13). Mandray anjara amin’ireo fijaliana noho ny toetra maha olombelona azy ny mpino, nefa miaraka amin’Andriamanitra, ka miaina sahady ny fahasambarana dieny izao.