Alatsinainy 24 Jolay 2023

(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Matio 24:35

Fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo, ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. 2 Petera 3:7

 

Ahoana ny hevitrao momba ity tontolo misy antsika ity ?

Isika ve afaka mihevitra fa tsy hisy fiafarany mihitsy ny tany, ary hitohy hifandimby toy ny tamin’ireo taonarivo lasa ny fiarahamonina ? Sa ve tsy maintsy ho levona, indray andro any, ity tontolo misy antsika ity ? Tsy vitsy ny valinteny mihevi-ko ratsy ataona mpaminavina.

Ny Baiboly no manome ny valinteny marina, ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina androany. Apetrany avy hatrany eo amin’ny tena toerana isika, rehefa ampahatsahiviny ny Safodrano (Genesisy toko faha-6 ka hatramin’ny faha-8). Ny Safodrano dia efa nambara mialoha, nandritra ny fotoana namboaran’i Noa ny sambofiara (100 taona mahery). Na izany aza anefa, dia tsy nohenoin’ny olona ny fanambarana ilay zava-doza hitranga, mandra-pahatonga ny fotoana nanaronan’ny rano ny tany. Ireo nino irery ihany, izay nialoka tao anaty sambofiara, no voavonjy (1 Petera 3:20). Voavonjy i Noa sy ny ankohonany, satria nino an’Andriamanitra (Hebreo 11:7).

Amin’ny hoavy dia hotsaraina sy holevonina amin’ny afo ity tontolo ity (andinin-tSoratra Masina androany), alohan’ny hanorenana lanitra vaovao sy tany vaovao (Apokalypsy 21).

Nefa omena antsika ihany koa ny fomba hahavoavonjy : „Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa (ankoatra an’i Jesosy) ; fa tsy misy anarana ambanin’ny lanitra, nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apostoly 4:12). Ny „sambofiara”-ntsika, ny fara vonjy ho antsika, dia ny finoana an’i Jesosy Kristy. Samy efa naniratsira an’Andriamanitra avokoa isika, ka samy mila mihavana aminy, Izay marina sy masina. Ny olona rehetra mino an’i Jesosy, maty teo amin’ny hazofijaliana sy nitsangana velona indray, dia avelan’Andriamanitra heloka ary omeny fiainana mandrakizay. Io fiainana raisina eto an-tany io no hahafahantsika miara-miditra aminy ao amin’ny lanitra vaovao.