Talata 25 Jolay 2023

Fa tsy hisy fanantenana ho an’ny ratsy ; eny, ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy. Ohabolana 24:20

Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika… niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony, ho amin’ny fanantenana velona, tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. 1 Petera 1:3

 

Mikatsaka hoavy hafa

Ny fiarahamonina tandrefana dia manana tombony be kokoa noho ny maro hafa, na dia marina aza fa mbola misy ny fahantrana any, sady mitombo mihitsy aza. Nefa dia mbola hita any hatrany ny tsy fahafaham-po, tsy mitsahatra ny fitakiana, na dia ao amin’ny sokajin’olona be tombontsoa indrindra aza. Maneho fiaina ratsy tena misy izany. „Miaraka mikatsaka hoavy hafa”, vao haingana dia izany no teny filamatry ny iray tamin’ireo fihetsiketsehana maro. Hoavy hafa toa inona moa no tadiavintsika ? Harena be kokoa ve ? Fialamboly be kokoa ? Fahafahana be kokoa ? Hiaina metimety kokoa eto amin’ity tany ity ? Indray andro any isika dia tsy maintsy handao ny zavatra rehetra ; koa inona, amin’izay, ny hoavintsika ? Tsy misy na inona na inona naroso, amin’io lafiny io ; isika ve mba efa nieritreritra izany ? Maro ny olona miaina ho an’ny fotoana ankehitriny, ary tsy mihevitra ny mandrakizay.

Aorianan’ny fahafatesantsika tokoa mantsy, dia tsy tapitra tsy akory ny zavatra rehetra. Ny olona tsy nankatò an’Andriamanitra dia efa nohelohina ho faty (Genesisy 2:17). Hanjary vovoka indray ny vatany, ary ny fanahiny hiverina any amin’Andriamanitra. Toa inona no hiatrehany an’Andriamanitra ? Toa Mpitsara, raha tsy vita fihavanana taminy izy ; ary toa Ray kosa, raha nino an’i Jesosy Kristy izy. Izany no hamaritra ny hoaviny mandrakizay. Ny hahasambatra antsika no tadiavin’Andriamanitra. Hoy Izy amintsika : „Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo… dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany” (Jeremia 29:11).

Mba te hanana izany fahasambarana miaraka amin’i Jesosy izany ve isika ?