Alarobia 26 Jolay 2023

(Hoy i Simeona :) Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Israely olonao. Lioka 2:30-32

(Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama :) Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany —satria nanaiky ny teniko ianao. Genesisy 22:18

 

Hafatra mitory fitiavana ho an’ny fianakaviana rehetra

„Teraka tany Paris aho, tamin’ny taona 1931, tao amina fianakaviana jiosy. Tamin’ny taona 1942 izahay dia afaka nialokaloka tany Soisa. Nalefan’ny raiko tany amina tantsaha kristiana tany akaikin’ny farihin’ny Neuchâtel aho. Gaga aho nahafantatra tamin’izy ireo fa Jesosy no Ilay fahazavana nampanantenain’Andriamanitra, mba hamonjy ny jentilisa, sy ny Israely, vahoaka mpiray tanindrazana amiko !

Tamin’ny taona 1954 dia narary mafy aho. Tsapako fa navelan’Andriamanitra hitranga izany fitsapana izany mba handinihako tena momba ny fiainako sy hihainoako Azy, ary Izy irery. Dia tsaroako ny fihaonako tamin’ireo kristiana, fony aho mbola ankizy : nahitsy sady feno fahazavana ny fiainan’izy ireo. Niantso an’i Kristy aho, teo ambonin’ny farafarako, tany amin’ny hôpitaly. Nivoady aho hanolo-tena ho Azy sy hanompo Azy, raha toa Izy afaka manapaka ny fatorana ara-batana sy ara-toe-panahy namatotra ahy tamin’ny ratsy sy ny fahafatesana. Dia nataony izany ! Takatro fa ny famelan-keloka sy ny fahamarinana dia tsy azo avy amin’ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ireo didy, fa noho ny finoana Ilay Mesia, dia Jesosy, Izay nanolotra ny ainy hamonjeny antsika.

Ireo andalan-tsoratra maneho ny Mesia ao amin’ny Testamenta Taloha dia nandresy lahatra ahy fa tao amin’i Jesosy tokoa no naha tanteraka ireo fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama razanay, hoe : „Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 12:3).

Io dia hafatra mitory fitiavana ho an’ny havantsika sy ny namantsika, ho an’ny vahoaka jiosy manontolo mbamin’ny fianakaviana sy firenena rehetra eto an-tany.”

(araka an’i Jacques Guggenheim, navoaka tao amin’ny boky „Croire et Vivre [Mino sady Miaina]”)