Alakamisy 27 Jolay 2023
Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ? Romana 2:4
Ianao angamba mbola tsy nanokatra Baiboly mihitsy ? Heverinao angamba fa tsy mahakasika anao io boky io ? Mba meteza hanokana minitra vitsivitsy hamakiana ireto andalan-tsoratra ireto, ho famintinana fohy dia fohy ny votoatin’ny Baiboly.
Ny Baiboly dia mampiseho amintsika ny faharian’Andriamanitra, fahariana lavorary ny tany sy ny olona, avy eo ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao, noho ny tsy fankatoavan’ny olona Ilay Mpahary azy. Nanomboka teo dia nisy rindrina nampisaraka an’Andriamanitra sy ny zavaboariny. Koa ny lohahevitra ivon’ny Baiboly dia ny vahaolana naroson’Andriamanitra mba hamahana io olana io. Ny finoana kristiana dia fiekena zavatra roa loha : ny ota raiki-tampisaka ao amin’ny olona, ny otako, ary ny vahaolana aroson’Ilay Andriamanitra fitiavana.
Alohan’ny handraisanao ny Kristy ho Mpamonjy sy Tompo, ianao ve mba efa niaiky ny maha mpanota anao ? Raha tsy misy ota mantsy, dia tsy misy fahamelohana, tsy misy fitsarana, tsy mila mpisolovava ianao, tsy mila Mpamonjy, noho izany tsy mila an’i Jesosy Kristy ! Hoy anefa Andriamanitra : „Tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10).
Mba hanakonana io zava-misy io, dia nandraman’ny olona avokoa ny zavatra rehetra : antokom-pivavahana, fomba amam-panao, fombafombam-pivavahana, lalàna na faneriterena mba hanjary tsara kokoa. Nefa tsy nisy, na iray aza tamin’ireo andrana ireo, afaka nanatsara kokoa ny olombelona, na namaha ny olana momba ny ota. Ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahasoavany irery ihany no mitondra ny vahaolana. Ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, teo amin’ny hazofijaliana no nanafoana ny fisarahana nisy teo amin’Andriamanitra sy ny zanak’olombelona. Io fisarahana io anefa dia tsy nanjavona afa-tsy ho an’ireo izay nandray an’i Jesosy ho Mpamonjy sy Tompo irery ihany. Ianao ve mba efa nanao io dingana io ?