Zoma 28 Jolay 2023

Tsy manan-tahotra ny fitiavana ; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra ; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana. Isika tia, satria Izy (Andriamanitra) efa tia antsika taloha. 1 Jaona 4:18-19

 

Mahazo antoka ny fitiavana, am-pangovitana

„Ao ambadiky ny andavanandrom-piainana fahita, dia nisy Iray tsapako fa teo. Andriamanitra izany, ary tia ahy Izy. Toy ny fiovana tsy mampino no niainako izany. Tia ahy Andriamanitra, ary nanova tanteraka ny fiainako ho tsara izany. Dia niova hatrany am-potony ny fiainako, satria teo aloha aho dia toy ny voapoizin’ny fahafinaretan’izao tontolo izao sy ny tebiteby manindry” (Emmanuel).

Ny ivon’ny finoana kristiana dia ny mino ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famelany heloka. Namirapiratra io fitiavana io rehefa niteny Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).

Io fitiavana io dia tokony hinoana, tokony horaisina. Mahazo antoka ny fitiavana isika, am-pangovitana, satria tsy mendrika sy mitolagaga, mandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Indraindray isika dia miady amina eritreritra feno fisalasalana. Tian’Andriamanitra ve aho ? Ahoana no azo iheverana izany ?

Ny finoana dia manao io tsambikina lehibe io, hidirana eo amin’ny sehatry ny fitiavan’Andriamanitra. Eny, tokony hino ny fitiavan’Andriamanitra antsika isika, tsy tamin’ny fotoana niovantsika fo fotsiny, fa mandritra ny fiainantsika manontolo mihitsy.

Ny fitiavan’Andriamanitra dia hafa tanteraka noho ny fitiavan’olombelona, izay miovaova arakaraka ny olona sy ny fetrantsika. Tsy noho ny toetra tsarantsika izatsy na izaroa no itiavan’Andriamanitra antsika. Ny fitiavany no tonga aloha, tsy misy fepetra ary tsy misy fetra. Na rehefa manota aza isika, dia tsy mitsahatra mitia antsika Andriamanitra. Mitady antsika Izy, manambitamby antsika hiverina aminy, mamela heloka antsika, ary manarina antsika.

Ny fitiavany no fototry ny fifandraisantsika aminy, io no „ato an-tranontsika”. Taomin’i Jesosy isika mba hitoetra ao mandrakizay… Ary isanandro.