Asabotsy 29 Jolay 2023
Ny filazantsara [dia] herin’Andriamanitra, ho famonjena izay rehetra mino… Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra, avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe : „Ny marina amin’ny finoana no ho velona”. Romana 1:16-17
Marina Izy (Andriamanitra) sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy. Romana 3:26
„Ny fahamarinan’Andriamanitra. Nankahala io fiteny io aho, satria ny nahatakarako azy dia hoe manafay ny mpanota Andriamanitra. Na dia tsy nisy hokianina aza ny fiainako, amin’ny maha relijiozy mpitoka-monina ahy, dia nahatsiaro tena ho mpanota aho, eo imason’Andriamanitra ; feno tebiteby fatratra ny fieritreretako, nikorontana mafy. Nosainiko tsy an-kijanona ilay andininy ao amin’ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Romana hoe aseho ao amin’ny Filazantsara ny fahamarinan’Andriamanitra (jereo ny andinin-tSoratra Masina androany).
Farany dia nangoraka ahy Andriamanitra. Nisaintsaina lalina andro aman’alina aho, ary nandinika ny fisesisesin’ny teny hoe : „Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra, avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana”, araka ny voasoratra hoe : „Ny marina amin’ny finoana no ho velona” (Romana 1:17). Dia nanomboka nahatakatra aho fa eto, ny fahamarinan’Andriamanitra dia midika hoe ny fahamarinana omen’Andriamanitra sy mahavelona ny marina, raha mino izy. Araka izany, ny hevitr’io fehezanteny io dia hoe : Ny Filazantsara no mampahafantatra antsika ny fahamarinan’Andriamanitra, ny fahamarinana notanterahiny, izay anamarinany antsika amin’ny finoana, noho ny famindrampony…
Teo no ho eo ihany aho dia nahatsapa ny tenako ho velona indray, ary toy ny hoe tafiditra tamina varavarana midanadana mankao amin’ny paradisa mihitsy. Nanomboka teo dia naka endrika vaovao tamiko ny Soratra Masina manontolo. Nisaina ireo andalan-teny aho, araka izay nanehoan’ny fitadidiako azy, ary nanamarika fiteny hafa tokony hohazavaina toy izany…, dia ny herin’Andriamanitra anomezany antsika ny tanjany, ny fahendrena mahatonga antsika ho hendry, ny famonjena, ny voninahitr’Andriamanitra.
Toy ny nankahalako io fiteny hoe fahamarinan’Andriamanitra io no itiavako ankehitriny io fiteny mamy indrindra io, ary nanjary varavaran’ny paradisa, amiko, io andalan-tsoratr’i Paoly io.”