Alahady 30 Jolay 2023
Ary rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila ; ary ny akanjony koa… Dia niresaka hoe izy : Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’izay hahazo azy. Jaona 19:23-24
Jesosy dia nahatanteraka ireo faminaniana momba Azy ao amin’ny Testamenta Taloha. Ohatra, ny alahadin’ny Sampan-drofia dia niditra tao Jerosalema Izy, nitaingina zana-boriky (Matio 21:5-9). 500 taona talohan’io no efa nambaran’ny mpaminany Zakaria izany (9:9).
Teo amin’ny hazofijaliana, „mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy (Jesosy) : Mangetaheta Aho” (Jaona 19:29). Dia nomen’ireo miaramila vinaingitra Izy ; akon’ny Salamo 69 (and 21) izany : „Vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho”.
Ny toerana hahaterahan’i Jesosy dia efa voalaza (Mika 5:2). Ary nambaran’ireo mpisorona jiosy an’i Heroda fa any Betlehema no tsy maintsy ahaterahan’ny Mesian’izy ireo (Matio 2:3-6).
Ny Testamenta Taloha dia mirakitra ihany koa faminaniana tanterak’ireo fahavalon’i Jesosy, tsy fantatr’izy ireo akory hoe faminaniana. Ohatra, 1000 taona mialoha dia nambaran’ny Salamo 22 ny hanomboana an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana : „Manindrona ny tongotro aman-tànako izy” (and 16). Hitantsika ihany koa ny hoe : „Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany” (and 18). Tanterak’ireo miaramila ara-bakiteny io faminaniana io, teo am-pototry ny hazofijaliana.
Ny faminaniana efa tanteraka dia vita tamin’ny antsipiriany, ireo izay mbola ho avy dia ho tanteraka amin’ny antsipiriany toy izany koa. Ny faminaniana manaraka dia ity : „Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana… ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy, ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo, any amin’ny habakabaka” (1 Tesaloniana 4:16-17). Vonona ho amin’io fifamotoana io ve isika ?