Alatsinainy 31 Jolay 2023

Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko… dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Ohabolana 2:1-5

 

Mamaky ny Baiboly : torohevitra ho an’ny mpino tanora

Boky matevina be ny Baiboly. Miresaka zavatra maro izy. Miseho amin’ny maha Tenin’Andriamanitra azy ny lahatsoratra ao. Tia antsika Andriamanitra, ka te hampianatra izay marina sy mahasoa ny tsirairay. Mety ho hita hoe sarotra ny famakiana ny Baiboly, koa ireto misy torohevitra vitsivitsy :

Misaora an’Andriamanitra, noho Izy te hiteny aminao, ary angataho Izy hampahiratra ny masonao, mba hahitanao ireo zava-mahagaga ao amin’ny Teniny (Salamo 119:18). Vakio miadana sy am-pitandremana ny teny, ary rehefa misy tsy azonao, dia avereno vakina, mandra-pahazonao ny heviny.

Saintsaino ny lesona tokony hotsoahina ho an’ny fiainanao manokana, avy amin’izay vao novakinao. „Aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany” (Jakoba 1:22). Avaho ireo fampanantenana tokony hinoanao, ireo didy tokony hankatoavina, ireo ohatra tokony harahina, ireo fahotana tokony hosorohina… Raketo an-tsoratra izay nianaranao. Ary ambonin’ny zavatra rehetra, katsaho izay voalaza momba an’i Jesosy Kristy : Izy no votoatin’ny Baiboly.

Ny hoe mamaky ny Tenin’Andriamanitra, dia midika hoe mahatsapa fa Izy mihitsy no miteny aminao. Ataony tsapanao ny halehibeny sy ny fahamasinany, ary tena apetrany eo amin’ny fanatrehan’Ilay Rainao ianao.

Mianara miresaka amin’Andriamanitra momba izay vakinao. Raha noresahiny anao ny momba Azy sy ny voninahiny, dia aoka ianao hitsaoka Azy. Raha noresahiny anao ny momba anao, ny momba ireo fahadisoanao, dia iekeo aminy ireo. Izany fianarana velona ny Soratra Masina izany dia hitondra fahazavana vaovao amina ampahany hafa mitovitovy amin’izay novakinao.

Misaora an’Andriamanitra amin’izay rehetra hitanao tao.

(namboarina avy amina lahasoratr’i John Stott)