Talata 1 Aogositra 2023

Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza, dia toy ny roy ; ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza, dia ratsy noho ny fefy tsilo. Mika 7:4

Ny ran’i Jesosy Zanany (Zanak’Andriamanitra) no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7

 

Fisedrana fahadiovana

Misy kilalao iray ao amin’ny internet, hono, hoy ireo namorona azy, ahafahana mamantatra ny tahan’ny „fahadiovan”-tsika. Izy io dia antontam-panontaniana dimampolo eo ho eo, mikasika ny fisotro mahamamo, ny firaisana ara-nofo, ny fitaizana fahasalamana, ny fitsipi-piaina, ary ny zava-mahadomelina. Araka ny pejy fidirana, io kilalao io hono dia afaka hahafantarantsika zavatra betsaka momba antsika. Ny valiny dia manambara raha toa isika masina, madio, ara-dalàna… na maloto, vetaveta, feno fahalovana. Fanombantombanana toy izany ve azo itokiana ?

Nefa fanontaniana tokony hapetraka ny hoe ahoana no mampahadio ! Joba patriarka dia nanontany tena hoe : „Aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra ? Ary aiza no hahadio izay tera-behivavy ?” (Joba 25:4).

Mora ihany ny ho afa-po amin’ny tena, rehefa mifampitaha amin’ny hafa ; nefa eo anatrehan’ny fahamasinan’Andriamanitra, dia tsy toy izany velively. Andriamanitra mihitsy no manambara ny toerantsika ara-toe-panahy aman-tsaina, hoe : „Samy efa nivily izy rehetra, ka tonga vetaveta avokoa ; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Salamo 53:3). Dia mipetraka àry ny fanontaniana hoe : „Iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina ?” Izao no valiny : „Izay madio tànana sy mahitsy fo” (Salamo 24:3-4). Saingy iza anefa no afaka mihambo hanana toetra toy izany ? Tsy misy. Ka Andriamanitra mihitsy no manolotra antsika ny fanafana, dia ny finoana an’i Jesosy Kristy, Izay manadio ny fontsika (Asan’ny Apostoly 15:9). Efa nomena antsika, fony maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, ny loharanon-kery ho fanadiovana amin’ny ota sy ny loto. „Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9).