Alarobia 2 Aogositra 2023
Mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra… Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina, dia ny fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana ? Joba 37:14, 16
Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao ? Joba 38:16
Ny trozombe, biby mampinono miaina ao anaty ranomasina, dia manana toe-batana ahafahany milentika any amin’ny 900 metatra any, nefa tsy matin’ny aretin’ireo mpiantsitrika rehefa miakatra avy any (loza vokatry ny tsindry mihena tampoka).
Vorona maro mpifindra monina no manaraka „mpitarika” iray mitondra azy ireo avy hatrany any amin’ny tanjona itodiana, mamakivaky kilometatra an’arivony, ary na toy inona na toy inona haratsin’ny toetrandro.
Mahavariana ! Avy aiza ny loharanon’izany zava-bita tsara dia tsara izany ? miaraka amina fahendrena sy fahiratan-tsaina, ary mifanaraka amin’ny ilain’ny karazam-biby tsirairay. Izany ve tsy mitarika antsika hiaiky fa misy Mpahary „miafina” ao ambadik’izany ? Tena mila finoana be ve vao hitolagaga amin’ny fahendrena sy fiandrianan’io Mpahary io ? Nefa firifiry kosa ny taona anaovana fikarohana, rijan-kevitra feno pitsiny, andaniana herin-tsaina… mba hanandramana tsy hinoana izany ?
„Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Andriamanitra dia talohan’ny zavatra rehetra. Talohan’ny nisian’ny habakabaka, ny fotoana, ny raha (la matière). Izy no Mpamorona mahay nahary izao zavaboary rehetra izao. Izy mihitsy no milaza ao amin’ny Teniny hoe : „Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny ; ny tànako ihany no namelatra ny lanitra” (Isaia 45:12).
Ny finoana Ilay Andriamanitra Mpahary dia manome antsika fahazoana antoka fa tsy vokatry ny kisendrasendra tsy akory isika. Andriamanitra no naniry ny fisiantsika tsirairay. Izy no Ilay „Andriamanitra sady Rain’izy rehetra” (Efesiana 4:6). Izy no mihazona ny fisiantsika sy manome antsika tsirairay izao fotoana iainana eto an-tany izao. Mialoha ny hifaranan’izany, dia atosiky ny fahatsarampony isika hahafantatra Azy mandrakizay ho Ilay Andriamanitra Mpamonjy.