Alakamisy 3 Aogositra 2023

Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery ; Izy no manana hevitra sy fahalalana. Joba 12:13

Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena ; fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany. Salamo 111:10

 

Adala

Tamin’ny volana marsa 2018, i Mike Hughes, lehilahy amerikana iray nampiana-tena, dia tafasondrotra tany amin’ny 571 metatra ambonin’ny tany, tao an-taniefitr’i Mojave, any Californie (Etazonia), tanatina sambondanitra namboariny. Ny tanjony ve ? Hanaporofo fa fisaka ny tany, ary hahazo toky amin’ny fahitany maso izany. „Adala”, angamba hoy ianao… Ireo zanabolana, ny fahatakonam-bolana sy ireo fomba fitiliana rehetra ankehitriny dia manamarina fa boribory ny tany, ary efa fantatra hatry ny ela izany !

Io teny hoe „adala” io dia mety midika hoe „very saina” na koa hoe „mifanohitra amin’ny tokony ho izy”. Hita imbetsaka ao amin’ny Baiboly io teny io. Ohatra, ny Tenin’Andriamanitra dia manambara fa adala izay manao anakampo hoe „Tsy misy Andriamanitra” (Salamo 14:1). „Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony ; ka dia tsy manan-kalahatra ireo (ny olona)” (Romana 1:20). Midika izany fa ny voary, ao amin’ny hatsarany sy ny hamaron’ny zavatra mifampidipiditra ao anatiny, dia porofo mazavan’ny fisian’Andriamanitra, porofo omeny ny tsirairay.

Jesosy dia manao koa hoe adala ilay nanangona harena be. „Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao ?” (Lioka 12:20). Indray andro any isika dia tsy maintsy handao izay rehetra harenantsika, nefa koa hihaona amin’Andriamanitra. Adala izay tsy miomana ho amin’io fe-potoana io. Ndao hihaino ny lazain’ny Baiboly antsika hoe : „Jehovah no manome fahendrena ; avy amin’ny vavany no iavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina” (Ohabolana 2:6).