Zoma 4 Aogositra 2023
Jehovah Andriamanitro ô… omeo ahy mpanomponao saina malady hoentiko mitsara ny olonao. 1 Mpanjaka 3:7, 9
Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe : Ry Samoela, ry Samoela ô ! Dia namaly Samoela hoe : Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. 1 Samoela 3:10
Dray ! variana aho ka dify ny fivoahana hiala amin’ny lalambe nizoran’ny fiarako… Nefa afaka kilometatra maromaro indray vao misy fivoahana. Ny nataoko voalohany dia ny nimenomenona tamin’ny tenako sy tamin’ireo takelaby tsy nanondro mazava ny lalana hizorana. Taorianan’izany aho dia nieritreritra hoe : „Andriamanitra ihany koa no namela izao hitranga, tsy te haneho zavatra hafa amiko ve Izy ?”
Teo amin’ny fivoahana manaraka dia nisy olona niandry, nanakana ahy. Nasaiko niditra izy. Nandeha ny resaka, nolazaiko azy ny nahatonga ahy eo amin’ny lalany ; ary fotoana tandrify izany hiresahana ny halehiben’Andriamanitra sy ny halemen’ny olona. Efa nomanin’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Raha tsy nisy io sampona io, dia tsy ho nifanena tamin’ity tovolahy ity aho.
Mampahery ny mpino ny mandray ny zavatra rehetra avy amin’ny tanan’Andriamanitra. Na hasorenana lehibe na kely, na aretina mafy na tsy misy atahorana, na fifaliana maharitra na mihelina kokoa, dia samy efa nomanin’Andriamanitra ho ahy avokoa, araka ny fitiavany. Tia ahy Izy, te hanao izay hahasoa ahy. „Fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28). Fahazoana antoka tokony hazonina mafy izany, satria miorina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ndao àry hianatra tsy ho sorena raha toa Andriamanitra manova na misakana ireo fikasantsika. Izy mihitsy no mahalala ny antony. Ndao hihaino Azy, hanoa sy ho vonona hanao tsotra fotsiny izay apetrany eo anoloantsika.
Izany toe-tsaina amam-panahy feno fatokiana hihaino izay lazain’Andriamanitra antsika izany dia ilaina ihany koa eo amin’ireo safidy rehetra eo amin’ny fiainantsika. Izany no toe-pon’i Samoela zaza (andinin-tSoratra Masina etsy ambony).