Asabotsy 5 Aogositra 2023

Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina. 1 Jaona 2:1

 

Mpisolovava maimaimpoana

Ao amin’ny fonja dia misy voafonja miresaka amin’ny mpiahy ara-panahy, mikasika lohahevitra ara-Baiboly. Voaboasin’izy ireo ilay andinin-tSoratra Masina hoe : „Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina”. Nanamarika ny iray amin’ny voafonja hoe Mpisolovava maimaimpoana Jesosy, nefa ilay mpisolovava mikarakara azy eto an-tany kosa dia karamainy lafo be !

Tombontsoa ho an’ny mpino ny manana an’i Jesosy any an-danitra, Izay miandany aminy. Talohan’ny maha Mpisolovava antsika Azy, dia Mpamonjy antsika Izy. Teo amin’ny hazofijaliana tany Kalvary dia nitondra ny fahotantsika Izy, nisolo toerana antsika, niaritra ny fitsaran’Ilay Andriamanitra masina. Ireo rehetra mino Azy dia mandray maimaimpoana, ary tsy hiverenana intsony, ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay.

Koa nahoana àry isika no mbola mila Mpisolovava ? Marihintsika fa ao amin’ny andinin-tSoratra Masina androany, Jesosy dia Mpisolovava antsika „ao amin’ny Ray”, fa tsy hoe „ao amin’Andriamanitra”. Tsindrina, eto, ny fifandraisantsika amin’Ilay efa Raintsika ankehitriny. Saingy mbola mety hanota ihany isika, ary ny fahotana tsirairay dia mampalahelo ny Raintsika Izay any an-danitra sady manapaka ny fifandraisantsika akaiky aminy. Eo no idiran’i Jesosy an-tsehatra, ho Mpisolovava. Ny fijoroany eo anatrehan’ny Rainy, miaraka amin’ny diam-pantsika eny amin’ny tanany sy ny tongony, dia mampahatsiahy fa efa voalamina ny zavatra rehetra. Ary amin’izany koa, dia taomin’i Jesosy isika hiaiky aminy ny fahotantsika, ka afaka mahita indray ny fifaliana ao amin’ny fifandraisana amin’ny Ray.

Rahatrizay any an-danitra isika dia tsy mila io asan’ny Mpisolovava io intsony, satria tsy hisy ota intsony any. Ao anaty fiombonana lavorary amin’ny Ray ny fontsika, ka hifantoka amin’ny Tompo Jesosy, mba hitsaoka Azy.