Alahady 6 Aogositra 2023
… Nampitenenany (Nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany (Jesosy Kristy), Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra, ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny. Hebreo 1:2-3
Io andinin-tSoratra Masina io dia milaza anaram-boninahitra vitsivitsy iantsoana an’i Jesosy Kristy :
— „Ny Zanaka” : Rehefa avy niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra, nandritra ny tantara voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha, dia niteny mivantana tamin’ny olona, tamin’ny alalan’ny Zanany. Jesosy no „ny Teny”, Ilay fanehoana an’Andriamanitra, fanehoana feno sy tsy iverenana intsony.
— „Mpandova ny zavatra rehetra” : Andriamanitra, ao amin’ny drafiny mandrakizay, dia efa nihevitra hametraka izay rehetra noarìna ho eo ambany fahefan’ny Zanany. „Ny Ray tia ny Zanaka, ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany” (Jaona 3:35). An’i Jesosy izao tontolo izao, araka ny tendrin’Andriamanitra, ka hanjaka ao Izy, indray andro any.
— „Mpahary izao tontolo izao” : Tamin’ny alalan’ny Zanany no naharian’Andriamanitra izao tontolo rehetra izao. Ao aminy ny hery fahariana, Izy no Ilay mpamolavola ny voary : „Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany ; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra” (Kolosiana 1:16-17).
— „Famirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra sy endriky ny tenany indrindra” : Tonga hatratỳ amintsika amin’ny alalan’ny Zanany ny famirapiran’ny fiandrianan’Andriamanitra, ny famirapiratry ny halavorariny. Toy ny anehoan’ny soritry ny tombo-kase ny antsipirian-javatra rehetra, Kristy dia fanehoana marina sy feno ny toetran’Andriamanitra mihitsy. „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”, hoy Jesosy (Jaona 14:9).
— Ilay „mihazona ny zavatra rehetra amin’ny tenin’ny heriny [adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : herin’ny teniny]” : Tsy vitan’ny hoe „nahariana ny zavatra rehetra” Jesosy, fa „ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra” (Kolosiana 1:16-17). Amin’ny alalan’ny teniny mahery (ny „tenin’ny heriny”) no ihazonany izao tontolo rehetra izao sy ampaharetany azy, araka ny drafiny mandrakizay ; ohatra, ny fisefoantsika isan-tsegondra.
Mendrika Izy handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra ! (Apokalypsy 5:12).