Alatsinainy 7 Aogositra 2023
Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny. Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy… ho maitso ny raviny. Jeremia 17:7-8
Nandritra ny fotoanan’ny hafanam-be tamin’ny lohataona 2019 izahay dia afaka nahita hazo maromaro tsy nahatanty izany hafanana tafahoatra izany. Araka ny filazan’ny tompon’andraikitry ny ala, ny hazo lehibe iray dia mila rano 200 litatra isanandro eo ho eo, mba hihazonany ho maitso ireo raviny 150 000. Isanandro izany io hazo io dia misotro rano sahaza olona 130 ! Takatra amin’izany fa tena iankinan’ny fahavelomany ny fananana faka lalina sy rano betsaka.
Ny mpino mametraka ny fitokiany amin’Andriamanitra dia oharina amina hazo mamaka eo amina toerana misy rano tsy ho ritra mihitsy. Koa na misy zava-tsarotra mitranga aza eo amin’ny fiainany, izay miankina amin’ny Tsitoha dia tsy mba ho torotoron’izany. Tsy hihakizitina izy, fa kosa hanohy hanisy soa manodidina azy, toy ny aloka hazo ankafizina rehefa mahamay ny andro.
Ao anatin’ny vatan-kazo dia misy tosaka rano sy sakafo miainga avy any amin’ny fakany ka mamelona ny ravina. Fa misy koa, noho ny famokarana aravon-kazavana, hery miainga avy amin’ny ravina mankany amin’izay rehetra mitombo : ny fakany, ny voankazony, ny voany.
Ny mpino dia sahala amina hazo nambolena teo amoron’ny rano, mitondra voa izy (manao izay ankasitrahin’Andriamanitra). Mihamitovy kokoa hatrany amin’ny Tompo Jesosy izy, eo amin’ny fihetsiny sy ny fomba fiainany, ary mahasoa ny Tompony.
„Mamaka eo anilan’ny rano mandeha (izy), ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany” (Jeremia 17:8).