Talata 8 Aogositra 2023

Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. 1 Timoty 6:6

Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo. Hebreo 13:5

 

Tsy fahafahampo

Ilay filôzôfa Blaise Pascal (1623-1662), tao amin’ny bokiny hoe „Pensées [Eritreritra]”, dia nanoratra hoe : „Rehefa manatanteraka faniriana iray ny olona, dia tsy afa-po amin’io, na izany aza. Tsy ela mantsy dia misy faniriana vaovao indray, tonga misolo ilay teo aloha, hany ka mihemotra hatrany ny fikasany hianina. Koa ny olona izany dia eo am-piandrasana mandrakariva ny fahasambarana”.

Izahay tsy akory tsy hoe te hanao tsinontsinona ny zava-manahirana, tena misy, andalovan’olona maro. Saingy tena „tafatoetra” tanteraka ao anatintsika sy eo amin’ny manodidina antsika ny tsy fahafahampo : firifiry tokoa moa ny fihetsiketsehana manambara tsy fahafaliana, any amin’ny firenena rehetra maneran-tany ! Raha ny marina, dia taratry ny toe-pontsika izy ireny.

Ry kristiana ! fantatsika ny tena fahasambarana : manana Ray any an-danitra isika, Izay tia antsika sy mikarakara ny zanany. Raha toa isika miandrandra ny haha tanteraka ireo faniriantsika, dia tsy tena matoky an’Andriamanitra. Fantany izay tsara ho antsika, ary omeny antsika. Aleo mianatra, tsy hoe mianina amin’izay ananantsika, fa mifaly amin’izany, na inona na inona toejavatra mitranga eo amin’ny fiainantsika. Hoy ny apostoly Paoly hoe : „Izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana na manao ahoana. Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo ; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho, ary hanam-be sy halahelo” (Filipiana 4:11-12).

Afaka matoky isika fa hanome izay ilaintsika ny Andriamanitsika, tia antsika Izy. Aza hadinointsika ny misaotra Azy, ary ndao hiresaka Azy eo amin’ny manodidina antsika.