Alarobia 9 Aogositra 2023
Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe : Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany ; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana ; fa amin’ny andro izay ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao. Genesisy 2:16-17
Ny vaovao iray ampitaina amina endrika sary dia matetika miraikitra kokoa ao an-tsaintsika, noho ny teny heno. Manararaotra fatratra io fironana io ny haino aman-jery, hany ka izao taonjato iainantsika izao dia nanjary taonjaton’ny sary. Ny endrika hita maso dia miseho hatraiza hatraiza, eny an-dalana, ao an-tokantrano. Mifantoka amina efijery (écrans) isan-karazany ny maso, ao an-trano, hany ka mihena hatrany hatrany ny fifampitenenana.
Ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly dia efa nanamarika sahady ny fihoaran’ny jery ny haino. Nahare i Eva fa tsy tokony hihinanana ny voan’ny hazo voarara. Saingy „hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo, sady mahafinaritra ny maso” (Genesisy 3:6). Dia nadinony izay reny.
Ny Baiboly dia manolotra tantara ho antsika, mba hanehoana ireo fihevitr’Andriamanitra, nefa tsy manao izany amina endrika „jerena” izy. Taominy isika „hihaino” ny hafatra entiny. Jesosy dia aseho ho ny Teny (Jaona 1:14), Izay tonga nofo ka hita-na vavolombelona maro niresaka Azy. „Izay efa hitan’ny masonay… ny amin’ny Teny Fiainana… no ambaranay aminareo” (1 Jaona 1:1, 3). Jesosy Kristy mihitsy no niteny tamintsika, avy amin’Andriamanitra. Ny Teniny —ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao- vakina sy henoina dia miantraika amin’ny fo sy ny fieritreretana. „Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy… ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” (Hebreo 4:12). Izany Teny re sy inoana izany no miteraka finoana. „Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17).