Alakamisy 10 Aogositra 2023
Andriamanitra no tokony hekena, mihoatra noho ny olona. Asan’ny Apostoly 5:29
Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. Apokalypsy 2:10
Ianao… tsy mba nandà ny anarako. Apokalypsy 3:8
Patrick Hamilton (1504-1528) dia taranak’i Jacques II, mpanjakan’i Écosse. Nianatra tany amin’ny oniversiten’i Paris izy, ary nahafantatra ny fampianaran’i Lotera. Tamin’ny famakiana ny Testamenta Vaovao izy dia nahazo haingana fahalalana lalina momba ny Tenin’Andriamanitra, izay „fahamarinana” (Jaona 17:17). Nankany Alemaina izy, tamin’ny taona 1527, mba handalina ny fahalalany.
Tao amin’ny oniversiten’i Marburg i Hamilton dia nanoratra boky maneho ny fifanoheran’ny Lalàna sy ny Filazantsara, ny asa sy ny finoana. Nijoroany ho vavolombelona ny fahamarinana ara-Baiboly hoe : amin’ny finoana irery ihany no anamarinana antsika eo anatrehan’Andriamanitra, fa tsy amin’ny asa (Romana 1:17).
Afaka volana vitsivitsy dia naniry hiverina any Écosse i Hamilton, mba hanompo ny mpiray tanindrazana aminy, satria nahatsapa fa efa voaomana ho amin’izany. Raha vao tonga tany amin’ny tany niaviany izy dia nanatanjaka ny finoan’olona marobe, tamin’ny fitoriany ny Tenin’Andriamanitra. Maro tamin’ireo havany, sy andriana vitsivitsy, ary koa tantsaha sy mpiasa maro, no nino ny Filazantsara.
Taoriana kelin’izany, teo amin’ny faha-24 taonany, dia voampanga ho mivaona amin’ny finoana i Patrick Hamilton, noho ny fanambarana sasantsasany tao anatin’ny bokiny, ary taoriana-na fitsarana maimaika, dia voaheloka ho faty. Ny 28 febroary 1528 dia nodorana velona izy. Naharitra adiny enina ny fampijalijaliana azy, satria tsy nety nirehitra ny kitay. Nandritra izany fotoana fangirifiriana izany i Hamilton dia nanohitra ny fakam-panahy rehetra natao mba handavany izay nampianariny.
Tamin’ny farany dia nivavaka tamin’ny feo mahery izy hoe : „Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko”.
(rahampitso ny tohiny sady farany)