Zoma 11 Aogositra 2023

Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17

 

Mahatoky hatramin’ny fahafatesana (2)

Ireto misy lohahevitra vitsivitsy ao amin’ny bokin’i Patrick Hamilton, izay nodorana velona satria tsy nanaiky hivadika amin’ny Baiboly :

Ny Lalàna dia mampiseho antsika ireo fahadisoantsika.

— Ny Filazantsara kosa manolotra antsika ny fanafana.

Ny Lalàna dia manambara amintsika ny fanamelohana.

— Ny Filazantsara kosa, ny famonjena.

Ny Lalàna dia ny tenin’ny fahatezeran’Andriamanitra.

— Ny Filazantsara kosa, ny tenin’ny fahasoavan’Andriamanitra.

Ny Lalàna dia mitondra antsika ho amin’ny famoizampo.

— Ny Filazantsara kosa manome antsika ny fahafahana.

Fifampiresahan’ny Lalàna sy ny Filazantsara :

Hoy ny Lalàna : Aloavy izay tsy maintsy efainao.

— Ny Filazantsara kosa manambara hoe : Kristy efa nanefa ho anao.

Ny Lalàna dia miampanga antsika hoe : Mpanota fadiranovana ianao, ka ho faty.

— Ny Filazantsara kosa manambara hoe : Voavela ireo fahotanao ; ho voavonjy ianao.

Ny Lalàna dia mampianatra hoe : Mila manonitra ireo fahotanao ianao.

— Ny Filazantsara kosa manambara hoe : Efa noraisin’i Kristy teo amin’ny tenany ny famaizana sahaza anao.

Hoy ny Lalàna : Mitambesatra aminao ny fahatezeran’Andriamanitra.

— Ny Filazantsara kosa mampianatra hoe : Kristy efa nampihavana anao amin’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny rany.

Ny Lalàna dia mitaky hoe : Aiza ny fahamarinanao, aiza ireo asa soa vitanao, aiza izay azonao aloa amin’Andriamanitra ?

— Ny Filazantsara mamaly hoe : Kristy efa nanefa ho anao, Izy no fahamarinanao sy famonjena anao, Izy no manome anao ny fiainana mandrakizay.

(tapitra)