Asabotsy 12 Aogositra 2023
Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volonondry fotsy. Isaia 1:18
Ny tsimokaretina sasantsasany dia miasa mba hanapotika ny hery fiarovan’ny vatana. Dia tsy manana fiarovana intsony ny vatana, manoloana ny fanafihan’aretina hafa.
Tahatahaka izany koa no nandotoan’ny ota antsika, amin’ny lafiny ara-toe-panahy aman-tsaina. Nanomboka tamin’ny tsy nankatoavan’ny olombelona an’Andriamanitra, dia te hiaina tsy misy Azy izy. Dieny vao teraka izy, dia efa nifindra taminy io „tsimokaretina” mampihoron-koditra mamely ny fanahiny io. Tsy misy fiarovana isika, ka voatosika mandrakariva hanota. Io fahavalo tsy hita maso io dia miezaka hanao izay hanadinoana azy ; nefa dia tena ao anatintsika tsirairay tokoa izy, ary ao aminy ny fahafatesana. Misy fanafana ve ? Ny tambin’ny ota, ny mendrika azy, dia ny fahafatesana (Romana 6:23). Fahamarinana hita miharihary ny hoe : maty avokoa ny olona rehetra etỳ an-tany.
Toloran’Andriamanitra mpisolo toerana isika : Jesosy Kristy, noho ny fitiavany, dia nanaiky nisolo toerana ahy, hizaka io fahafatesana sahaza ahy io. Izy irery, Izay tsy manana ota, ary masina araka ny toetra maha Izy Azy, no hany manana ny fahamendrehana sy ny fahefana hanao izany. Koa ny fanafana tokana mahomby, ho ahy mpanota, dia ny finoana an’i Jesosy, Ilay hany Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona.
Mba hahazoana tombony amin’ny fanoroam-panafody, dia tsy maintsy manaraka izay lazainy. Tsotra io fanoroana io : tsy maintsy mino an’Andriamanitra, Ilay hany marina. Ny hoe mino dia tsy hoe mamerina manonona fehezanteny iray, fa kosa manaiky, amin’ny fo manontolo, am-panetrentena sy am-pifaliana, ny fahamarinana hoe maty Jesosy nisolo toerana ahy, ary natsangan’Andriamanitra ho velona indray, mba hanehoany fa afa-po tanteraka Izy. „Isaorana anie Andriamanitra, noho ny fanomezany tsy azo tononina” (2 Korintiana 9:15).