Alahady 13 Aogositra 2023
Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra… Iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. (Lahateny nataon’ny apostoly Petera tany Jerosalema) Asan’ny Apostoly 2:32, 36
Ny asa tsy maintsy nataon’i Jesosy fony Izy tonga tetỳ an-tany dia fintinin’ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Ny Ray efa naniraka ny Zanaka, ho Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Jaona 4:14). Jesosy dia „nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:6). Nefa ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia ity : Neken’Andriamanitra ve ilay asa nataony ? Andriamanitra ve afa-po tamin’io sorona io ? Tsy ny hevitsika momba izay nataon’i Jesosy tsy akory no resahina. Ny an’Andriamanitra ihany no manan-kery.
Eny, afa-po tanteraka Andriamanitra :
— Natsangany velona indray ny Zanany, porofo fa voaonitra tokoa ny ota.
— Nampiakariny any an-danitra Izy, teo imason’ny mpianany nitolagaga.
— Nisy anjely roa nanambara hoe : „Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy, tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asan’ny Apostoly 1:11).
— Farany, nomen’Andriamanitra toeram-boninahitra eo ankavanany Izy, araka ny hamafisina teny roapolo eo ho eo ao amin’ny Testamenta Vaovao. Io toerana io no famalian’Andriamanitra ny fihantsian’ny olona, fony teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, hoe : „Aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahiny Izy” (Matio 27:43).
Isika ve dia ho afaka hisalasala ny amin’ny halavorarin’ny famonjena atolony antsika, izay efa nanomezany porofo toy izany ? Nahafa-po an’Andriamanitra ny asa notanterahin’ny Zanany, ary atolony ho an’ny olona rehetra ny fahasoavany. Anjaran’ny tsirairay ny mitodika aminy, amin’ny fo mibebaka sy feno fankasitrahana, mba handray tombony avy amin’izany. „Andriamanitra Mpamonjy antsika… tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:3-4).