Alatsinainy 14 Aogositra 2023
(Hoy Jesosy :) Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe, ka nanasa olona maro. Ary naniraka ny mpanompony izy, tamin’ny fotoana fisakafoana, hilaza amin’izay efa nasaina hoe : Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialana. Lioka 14:16-18
Nisy fanasana lehibe tamin’io hariva io, saingy samy niala tsiny avokoa ny nasaina, mba tsy ho tonga.
Hoy ny voalohany : „Efa nividy tany aho, ka tsy maintsy mandeha hizaha azy ; masìna ianao, ekeo ny fandàvako”. Efa raikitra ny varotra, ka maha maika ve ny handeha hijery ilay tany ?
Hoy ny faharoa : „Efa nividy omby folo aho, ka handeha hamantatra azy ; masìna ianao, ekeo ny fandàvako”. Tsy maintsy mandeha manandrana ireo omby folo vao novidina ireo ve, amin’ny andro hariva ?
Hoy ny fahatelo : „Efa nampaka-bady aho, koa amin’izany tsy afaka mankany”. Ohatra ny mitombina ilay antony voalaza, nefa ho afaka niara-namaly ny fanasana izy mivady io harivan-danonana io !
Izany no ataontsika rehefa apetratsika ambony noho ny antson’Andriamanitra ny fananana, asa na fiainam-pitiavana. Samy miala tsiny am-pahalalam-pomba izy ireo, hoe tsy manam-potoana. Ny marina dia tsy te ho avy izy ireo, satria hafa ny laharan-kamehany !
Ny fanasana lehibe indrindra atao amin’ny tsirairay dia ny fanasan’ny Filazantsara, mba handraisana ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay. Ny Tompo Jesosy dia tonga hitady sy hamonjy ireo izay very. Manasa antsika tsirairay an-kamorampo Izy, nefa tsy manery an’iza na iza. Iza no hamaly izany fanasana izany ?
Ho fahadisoana lehibe ny mamela ny harena, asa, fiainam-pianakaviana sy ara-piarahamonina handany manontolo ny fotoanantsika. Raha avelantsika ny Tompo hiditra ao amin’izay rehetra eritreretintsika sy izay fanapahan-kevitra rehetra raisintsika, dia hahita fotoana hatokana ho Azy isika. Aza mitady fialan-tsiny… izay tsy mitombina akory !