Alarobia 16 Aogositra 2023

Ary hoy Izy (Jesosy) taminy : Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna ? Manao ahoana no famakinao azy ? Lioka 10:26

Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39

 

Arabe migodàna sa lalana an-tendrombohitra ?

Tamina fanadinana taranja mozika iray dia nanao izao fanamarihana izao tamin’ny zanako vavy ilay mpampianatra : „Tena tsara ny nataonao, voahaja ny gadona, marina ny feo, saingy tsy tao ny maha ianao anao, toy ny eny amina arabe migodàna”. Ny mpiadina iray kosa dia nahazo fankasitrahana hoe : „Mahatsapa ho eny amina lalana an-tendrombohitra ny tena, ka tsy fantatra izay ho taza-maso ao amin’ny fiolahana manaraka”.

Izany dia mampahatsiahy ahy ny fomba famakiana ny Baiboly. Mety hamaky azy araka ny tokony ho izy isika, nefa maimaika, toy ny hoe efa mahafantatra izay vakina. Izany no dridralavan’ny „arabe migodàna”. Mety ho liana ihany koa isika mamaky azy, izany hoe mamela izay vakina hiditra ao anaty, mametra-panontaniana momba ireo teny, momba ny firafitra sy hevitry ny fehezanteny. Amin’izany isika dia hahita antsipirian-javatra maro nolalovana maimaika hatramin’izay.

Lazain’ny apostoly antsika fa ny teny vakina dia tsy maintsy miharo finoana, mba hahasoa (Hebreo 4:2). Dia hanazava ny fontsika sy ny fieritreretantsika ireny antsipirian-javatra ireny. Hampahita antsika ny halavorarin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireny, toy ny fidadasiky ny fitiavany, izay mihoatra ny fahatakarantsika sy ny fahalalantsika. Ireny no zavatra hita any amin’ny „lalana an-tendrombohitra”.

Ndao hiato mba hivavaka „mandrakariva ao amin’ny Fanahy”. Ary aza hadinointsika fa „velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy… ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” (Hebreo 4:12).