Alakamisy 17 Aogositra 2023

Ary nino an’i Jehovah izy (Abrahama) ; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. Genesisy 15:6

Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1

 

Meloka, nefa nohamarinina

Mampianatra antsika Andriamanitra, amin’ireo tantara rehetra ao amin’ny Baiboly, na dia ireo mampalahelo indrindra aza. Ohatra iray amin’ireo ny fijangajangan’i Davida tamin’ny vadin’ny iray amin’ny miaramilany (2 Samoela 11). Niezaka nanafina ny fahadisoany i Davida, nanao tetika ratsy mba hahafaty io lehilahy io any an’ady. Meloka i Davida eo anatrehan’ny olona sy eo anatrehan’Andriamanitra. Nefa niaiky ny fahadisoany izy, ary nanambara hoe : „Efa nanota tamin’i Jehovah aho”. Namaly azy ny mpanompon’Andriamanitra iray hoe : „Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao” (2 Samoela 12:13). Nijaly i Davida noho ny vokatry ny fahadisoany, saingy nahafantatra fa efa navelan’Andriamanitra heloka. Hoy izy nilaza izany : „Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany !” (Salamo 32:1).

Marina ve Andriamanitra raha mamela ny fahotan’ny meloka ? Eny, satria Jesosy, „tsy nanan-tsiny”, tsy nanana ota, no efa nitondra teo amin’ny hazofijaliana ny famaizana sahaza ahy. Raha mino Azy aho, izaho izay meloka dia voavela heloka. Voafafa sy voasarona ny fahotako, mitafy ny fahamarinan’i Kristy no fahitan’Andriamanitra ahy. Nambara fa nohamarinina i Abrahama, satria nino izay nolazain’Andriamanitra. Resahin’ny apostoly Paoly izany ao amin’ny Romana 4:20-24. Io „fanamarinana” io no mampiavaka ireo rehetra mino ny Tompo Jesosy sy ny fitsanganany velona indray. Ny mpino nohamarinina toy izany dia ambara fa „sambatra” : tsy meloka intsony izy, tsy misy olona afaka manameloka azy intsony. Tsy misy ary tsy hisy na inona na inona intsony ao amin’ny „rakitra fitanisana sazy”-ny.