Zoma 18 Aogositra 2023
Fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny, noho ny tsy fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony, ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana, hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana. Efesiana 4:18-19
Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy. Amosa 5:14
„Manapa-doha, manao sorona na mitifitra variraraka olona tsy manan-tsiny… Ireo „djihadistes”… dia manararaotra ny hevi-mifanohitra eo amin’ny fandraisan’ny fiarahamonina misy antsika ny fahafatesana. Amin’ny lafiny iray mantsy, arovantsika ny ain’ny olona, iray amin’ireo zontsika sarobidy indrindra ; nefa amin’ny lafiny ilany, ny sarimihetsika sy lalao video vokarintsika dia maneho sary feno herisetra sy fahafatesana be kokoa hatrany.” Izany eritreritra mpanao gazety iray izany dia mampisaina antsika ny andinin-tSoratra Masina avy ao amin’ny Baiboly nomena antsika androany. Manjary tsy mihontsina intsony ny fo rehefa vokisan’ny ratsy. Ny fahajambana ara-toe-panahy dia mitarika tsy hahita intsony ny fahasamihafana eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Izany fahavoazana izany dia vokatry ny fandavana tsy hihaino sy tsy hino izay lazain’Andriamanitra, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra. Io no fototry ny fahoriana rehetra eto amin’izao tontolo izao.
Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa, taomina isika hianatra an’i Kristy… „araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy” (Efesiana 4:20-21). Nasehony teo amin’ny fiainany izay rehetra tsara, araka ny fihevitr’Andriamanitra. Teo anivon’ny haratsiana manodidina Azy dia niaina tsy nanao afa-tsy ny tsara Izy. Ny fanamelohana Azy ho faty, avy eo ny fanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia nampiseho ny toetran’ny fon’olombelona. Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia naharesy ny hery ara-panahy ratsy rehetra. Taominy isika ankehitriny mba hijery Azy, Izy Ilay Kristy nitsangana velona indray, Ilay Mpandresy. Te hanova ny tenantsika manontolo Izy, te hanome ho an’izay mino Azy ny famelana ireo fahadisoana, sy ny hery mba tsy hanaiky ho voataonan’ny ratsy.
„Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra, sy ny fahamarinana, ary ny fahitsiana)” (Efesiana 5:8-9).