Asabotsy 19 Aogositra 2023

Nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy. Salamo 73:3

Mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. Salamo 73:26

 

Ankamantatra voazava

Tsara vakina : Salamo 73

Mafy izany mifoha isamaraina izany ! hiatrika fitsapana tsy miova. Mafy izany manomboka ny andro izany ! nefa tsy mahafantatra hoe ho vita hatramin’ny farany ve izy io, satria lehibe loatra ny fangirifiriana. Mafy izany mamarana andro iray ao anaty fangidiana izany ! ary mampitaha ny fijalian’ny tena amin’ny fiadanan’ireo minia tsy mahalala an’Andriamanitra ; sady ho azy ireo, toa mandeha tsara ny zavatra rehetra, araka ny soratan’i Asafa ao amin’ny Salamo 73, hoe : „Miadana mandrakariva izy, ka mitombo harena”.

Anaty fijaliana i Asafa no manambara ny fahadisoam-panantenany : „Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko”. Ao anatin’ny fikorontanan-tsainy izy dia mampitaha ny zavatra iainany amin’ny an’ireo tsy mino, izay toa sambatra. Tsy mahita fanazavana izy, mandra-pahatonga ny fotoana nanapahany hevitra hametraka ny fijaliany eo amin’Andriamanitra.

Dia niposaka ny hazavana, nisinda ny fijalian-tsainy. Nifoha ny fieritreretany : takany fa ny firoborobon’ny „ratsy fanahy” dia fahaverezany, ary tsy hisy hiangana ireo fahombiazany. Manoatra noho izany aza, tsapany fa noraisin’Andriamanitra tamin’ny tanany izy, Asafa, mba hotarihiny ho akaiky dia akaiky Azy, ao amin’ny fanatrehany. Gaga mihitsy aza i Asafa nihevitra ny tenany ho fadiranovana aoka izany, nefa manan-tombontsoa manokana satria miaraka amin’Andriamanitra. Fiovana toa inona moa izany ! hoy angamba isika. Sady tsia no eny !

Tsia, satria tsy nanjavona tsy akory ny fitsapana, fa eo mandrakariva : reraka ny tenany sy ny fony.

Eny, satria ankehitriny izy dia mametraka ny fitokiany ao amin’ny herin’Andriamanitra, ny fahendreny ary ny fahasoavany. Eny, satria ny miaina eo akaikin’Andriamanitra no fahasambarany, ary afaka midera Azy tsy mihambahamba izy.