Alahady 20 Aogositra 2023
Manao ireo kintana lehibe Izy (Andriamanitra), dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona… Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa. Joba 9:9-10
Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Salamo 8:3-4
Andriamanitra dia nanome porofo tsy hita isa mampiseho ny fisiany, ho an’izay manokatra ny masony hahita azy ireo. Arakaraka ny itrandrahan’ny siansa ireo tsiambaratelon’izao tontolo rehetra misy izao, no anehoany fa misy Mpahary. Tsy ho tonga ao an-tsain’iza na iza ny hino fa afaka hiakatra any ana habakabaka ny sambondanitra, dia hihodidina ny tany, ary hipetraka amin’ny fotoana sy toerana nokendrena, raha tsy teo ny fahaizan’ny mpahaikajy, teknisiana, mpahay elektrônika sy mpahay kajimirindra. Koa inona àry no holazaina, manoloana ny kintana marobe mihodinkodina eny ana habakabaka, manaraka lalana voafaritra tena mazava tsara ? Koa lazaina fa mila finoana be dia be lavitra, hiheverana fa nipoitra ho azy avy amin’ny tsy misy izao tontolo rehetra izao, noho ny finoana fa misy Ilay Andriamanitra Mpahary.
Nisy mpahay siansa nikajy hoe ny masoandro dia mandefa hery-na baomba atômika folo lavitrisa isan-tsegondra. Ao amin’ny ampahan’ny tontolo hitantsika, firy moa ny kintana mandefa hery ? An-davitrisany maro, ary izany dia angamba ampahany bitika fotsiny amin’ny tontolo midadasika tsy fantatra, izay mahafanina ny mieritreritra azy.
Ny tontolo hitantsika amin’ny fanita-pijery (microscope) dia mahatalanjona toy izay hitantsika eny amin’ny habakabaka. Ny fanita-pijery elektrônika dia maneho ny hatsaran-tarehy, filaminana ary firindran’ny zavatra bitika indrindra misy, izay mampitolagaga toy ny zavatra faran’izay lehibe.
Eny, mahafinaritra ny halehiben’Ilay Mpahary antsika. Ndao hitoetra manetry tena eo anatrehany ary hanolotra ho Azy ny haja mendrika Azy !