Alatsinainy 21 Aogositra 2023
Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe (momba an’i Jesosy) : Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra ; fa sady mampalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana. Marka 7:37
Jesosy dia namakivaky ny faritra nanafahany ilay demoniaka tao Gadara. Tamin’izay fotoana izay, tsy takatr’ireo mponina Jesosy, ka noroahiny hiala teo amin’ny taniny. Nefa dia niverina teo anivon’izy ireo Izy. Dia hitany fa niasa tao anaty fon’ny olona ny zava-niseho tamin’io fanafahana io, satria izao izy ireo dia nitondra eo aminy lehilahy iray sady marenina no moana, mba hositraniny. Tsy tian’ny Tompo hatao fampisehoana izany fanasitranana izany ; koa nentiny niala tsy ho eo amin’ny vahoaka io lehilahy io. Niandrandra ny lanitra Izy dia nisento, ary avy eo nandidy hoe : „Maladia”. Teo no ho eo ihany dia nalady ny sofin-dralehilahy, ary nivaha ny fatoran’ny lelany, ka nanjary niteny tsara izy.
Io Jesosy miandrandra ny lanitra sy misento io dia mahatonga antsika hieritreritra fa hitany tao amin’io lehilahy marenina sady moana io ny toerana misy antsika tsirairay, manoloana an’Andriamanitra : tsy afaka mifanerasera aminy. Marenina tsy mahare ny feon’Andriamanitra isika, ka tsy afaka manonona teny ankasitrahiny.
Ny fahasitranan’io moana-marenina io dia maneho an-tsary ny antony nahatongavan’i Jesosy hanatanteraka ny asany teo amin’ny hazofijaliana : hamela hisiana fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny olona, mba hahafahantsika mihira ireo fiderana Ilay nanao ny zavatra rehetra ho tsara.
Io fahagagana io dia mbola tanterahin’i Jesosy, mandraka ankehitriny. Manokatra ny sofintsika ho amin’ny Filazantsara Izy, mba handraisantsika ny fiainana mandrakizay ho ao anatina fo voadio. Isika ve anefa tena maniry izany tokoa ? Avelao Jesosy hiasa mba hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny ota, sy hameno azy fiderana sy fankasitrahana amin’ny alalan’ny Fanahiny.