Talata 22 Aogositra 2023
Koa miverena ho amin’Izay efa niodinanareo fatratra. Isaia 31:6
Indreto, manatona Anao izahay, fa Ianao Jehovah no Andriamanitray… Tamin’i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay… tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitray izahay. Jeremia 3:22, 25
Tia antsika Andriamanitra, ary miteny amintsika. Mandraka ankehitriny dia mbola manasa ahy hanatona Azy ny fitiavany. Saingy manameloka ahy ny fieritreretako : ahoana no hizakako ny lasako ? Mbola manaiky hanao ratsy ihany aho, na dia maniry hanao ny tsara aza. Ahoana no hialako amin’izany ? Andriamanitra anefa dia manasa antsika am-pitiavana, hitodika aminy. Miandry ny havalintsika Izy. Ampy Azy izany. Izy no hiandraikitra ny sisa.
Io fiovana io dia fanapahan-kevitra ara-toe-panahy, manainga ny tena manontolo : finiavana, saina ary fihetsehampo… Fiovana midika ho fiheverana fomba fiaina hafa.
Ny olombelona, araka ny maha izy azy, dia manohitra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny hamoram-panahiny. Te hiezaka hatrany izy hamaha ny olany amin’ny herin’ny tenany samirery, ary tsy ahitany vahaolana ny sasantsasany amin’ireny. Sarotra ekena, nefa zava-dehibe tokony ho takatra, ny hoe voagejan’ny tsy finoana isika rehetra.
Koa tsy mora izany ny mandray ny fanapahan-kevitra tokony horaisina. Tsy hay hatao mihitsy aza izany, ho an’ny olona manaiky hanjakan’ny fisaintsainany samirery. Hoy Jesosy : „Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hainy izany ; fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra ; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra” (Marka 10:27).
Izao no zavatra lehibe faharoa : miandany amintsika Andriamanitra, fa tsy mba manohitra antsika, na oviana na oviana. Miandraikitra ny zavatra rehetra Izy, raha avelantsika hiasa. Ny famindrampony, ny tanjaky ny Fanahy Masina, ny herin’ny Tenin’Andriamanitra dia eo mba hahatonga antsika hahita ny lalana mankany amin’ny fahazavana, any amin’i Jesosy. Amin’izay isika dia milavo lefona eo anatrehan’ny fahasoavany, ary milaza aminy ny fanenenantsika nanao tsinontsinona hatramin’izay ireo antsony. Izany dia fiovana tanteraka eo amin’ny fisainana sy ny fiaina. Tsy misy fiovam-po roa mitovy tanteraka. Mba ho hainao tantaraina ve ny anao ?