Alarobia 31 Janoary 2024

Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy ; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. 2 Timoty 2:22

Aza mety hofitahina ianareo ; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara. 1 Korintiana 15:33

 

Natahotra aho ny ho irery aho sy hanao hadalana

„Nijanona tao an-trano i Amélie kely, tamin’izahay nanatitra namana teny amin’ny fiarany. Vetivety taorianan’izany dia nankeny aminay izy, niteny hoe :

— Natahotra aho ny ho irery sy hanao hadalana.”

Rehefa irery isika ary tsy misy olona mijery antsika, dia mety halaim-panahy hanao ratsy. Ny kristiana anefa dia tsy irery na oviana na oviana ! Hoy i Davida mpanjaka : „Jehovah ô,… Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako, sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny” (Salamo 139:1-2). Mahita antsika Andriamanitra, ary tsy tiany isika ho azon’ny fakampanahy. Omeny loharanonkery isika hivoahana ho mpandresy :

Ny vavaka : Rehefa tonga ny fakampanahy, ndao hangataka amin’Andriamanitra ny hery handresena izany sy hanontany Azy ny lalana tokony hizorana.

Ny Tenin’Andriamanitra : Rehefa nalain’ny devoly fanahy tany an-taniefitra Jesosy, dia namaly hatrany hoe : „Voasoratra hoe” (Lioka 4:3-12). Ny Baiboly dia teny velona ampiasain’ny Fanahy Masina mba hanatanjaka ny finoantsika sy hanome antsika ny fahendrena ao anaty toejavatra sarotra.

Ny fandosirana : Ny apostoly Paoly dia nitaona an’i Timoty handositra ny filan’ny tanora fanahy. Ny hoe mandositra dia manapaka ihany koa fifandraisana sasantsasany, mahay mamono ny fahitalavitra na mampitsahatra ny fifandraisana amin’ny Internet.

Ny fiarahana amina kristiana hafa : Aza mijanona irery, rehefa azon’ny fakampanahy. Miezaha miaina fifandraisana tena izy eo amin’ny samy mpino. Miaraha mivavaka sy mamaky ny Baiboly. Ary raha lavo isika, dia aoka hiaiky izany amin’ny Tompo. „Mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9).