Alakamisy 1 Febroary 2024

(Hoy Jesosy tamin’ilay jiolahy nibebaka :) Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:43

(Hoy ny apostoly Paoly :) Maniry hiala ka ho ao amin’i Kristy [aho], satria tsara lavitra izany. Filipiana 1:23

 

Ny lanitra, araka ny Baiboly

Ny Baiboly dia mirakitra sary maro maneho ny maha zavamisy mampihoron-koditra ny helo : „ny maizina any ivelany” (Matio 8:12), „ny farihy afo”, „ny fahafatesana faharoa” (Apokalypsy 19:20 ; 20:14).

Mifanohitra amin’izany kosa, indreto ny fanoritsoritana ny lanitra, any amin’ny mandrakizay :

— „Onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 22:1). Any an-danitra dia tsy mangetaheta isika, tsy tahaka ireo izay ao amin’ny farihy afo.

— „Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy ; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry (Jesosy) no fanazavana azy” (Apokalypsy 21:23). Misy fahazavana ao.

— „Andriamanitra no hitoetra eo aminy… Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” (Apokalypsy 21:3-4). Eo Andriamanitra, tsy misy fahafatesana intsony, tsy misy tomany intsony !

Jesosy, Ilay Mpamonjy, no mameno izany toerana izany amin’ny fanatrehany.

Ndao hihaino ireo fampanantenan’i Jesosy ho an’izay mino Azy :

— „Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy, dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay” (Jaona 4:14).

— „Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

— „Izay mino Ahy, na dia maty (ara-batana) aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay” (Jaona 11:25-26). Ireo izay mino an’i Jesosy dia tsy handairan’ny fahafatesana faharoa, satria manana ny fiainana mandrakizay —atolotr’i Jesosy Kristy mandraka ankehitriny.