Zoma 2 Febroary 2024

Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo : Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo ? Jaona 6:5

 

Fanontanian’i Jesosy : Aiza no hividianantsika mofo ? (3)

Tsara vakina : Jaona 6:1-15

Nanandratra ny masony Jesosy ka nangoraka mafy, nahita vahoaka be. Koa nanontaniany i Filipo hoe : „Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo ?” Hoy i Filipo namaly : „Na dia mofo vidina denaria roanjato aza tsy ampy” hamahanana ireo olona marobe ireo. Nisy mpianatra iray hafa nilaza fa misy zazalahy kely manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, nefa nanampy hoe : „Fa ho ampy inona moa izany, amin’izao olona betsaka izao ?”

Isika ihany koa dia matetika no tsy mahafantatra tsara ny fitiavan’i Jesosy sy ny heriny, ao anatina toejavatra tsy takatsika. Avelan’Andriamanitra hitranga ireny mba hampianarany antsika hatoky Azy. Avy amin’izay kely azo raisina, teo ampelatanana zazalahy kely iray, no hanatanterahany io fahagagana lehibe momba ny fampitomboany ny mofo io, fahagagana taterin’ny filazantsara efatra.

Tadiavin’ny Tompo ny fiaraha-miasa amin’ny olony. Ankasitrahiny isika mametraka eo ampelatanany izay kely ananantsika ; dia miasa Izy. Nampitombo izay nomena Azy Izy eto, mba hamahanany ny vahoaka sy ho fifalian’io zazalahy kely io. Ny tsy fahampiana eo amintsika dia tiany hovaina ho fiainana ny fahasoavany manana amby ampy… Manaporofo izany ny harona 12 fenon’ny sombintsombiny tsy lany. Ary marihintsika ny fitandreman’ny Tompo tsy hisiana fandanilaniam-poana.

Jesosy dia afaka mamoky antsika, mameno ny filana rehetra eo amin’ny fiainantsika : fitiavana, fahamendrehana, famelan-keloka, haja, fahasambarana, hanoanana an’Andriamanitra mihitsy aza. Ary izany dia mihoatra noho izay andrasantsika, raha matoky Azy isika ka mankatò ny teniny. Hiteny Jesosy, aoriana kelin’io fahagagana io, hoe : „Izaho no mofon’aina” (and 35).